Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 18:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary i Zedekia, zanak’i Kenana, dia nanao tandroka vy ka niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ireto no hanotoanao ny Arameana mandra-paharingany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 I Sedesiasa zanak’i Kanaana, nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Hototoinao amin’ireto tandroka ireto ny Sirianina, mandra-paharingany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary Zedekia, zanak’i Kenana, dia nanao tandro-by ka nanao hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary i Zedekia, zanak’i Kenana, dia nanao tandroka vy ka niteny hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ireto no hanotoanao ny Arameana mandra-paharingany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:10
15 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»


Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe: –Tafiho i Ramôta-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.


Ary ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin’ilay kianja manoloana ny vavahadin’i Samaria, nandritra ny naminanian’ireo mpaminany rehetra ireo.


Ny olona maniratsira ny teniko dia sahiny ilazana hoe: ‹Hisy fiadanana ho anareo›. Mikiribiby amin’ny ditram-pony dia anambaràny hoe: ‹Tsy hahatratra antsika ny loza.›


Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, hoy ny Tompo. Tsy nilaza taminy na inona na inona Aho kanefa nanao fanambaràna ihany izy.


Izaho Tompo efa nandre izay nolazain’ireo mpaminany mihambo miteny amin’ny anarako kanefa milaza lainga manao hoe: «Nanonofy aho, eny, nanonofy aho.»


Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, indro Aho hamely ny mpaminany izay nampifangaro ny teniny amin’ny teniko.


«Izao no voalazan’ny TOMPO: Manamboara mahazaka sy zioga ka lanjao eny an-tsorokao.


dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely ny amin’i Ahaba zanakalahin’i Kôlaià sy ny amin’i Tsidekià, zanakalahin’i Mahaseià: Na dia mihambo haminany amin’ny anarako aza izy roa lahy, dia mpilaza lainga. Indro hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy ka hampamonoiny ho faty eo imasonareo.


Moa tsy fahitana manodoka ve ny anareo, hoy Aho? Moa tsy fanambaràna mamitaka ve no ataonareo? Mihambo hilaza teny hentitra avy amin’ny TOMPO ianareo, kanefa Izaho tsy niteny taminareo akory!›


Ary ny mpaminaniny kosa manarona izany rehetra izany amin’ny lalotra fotaka. Fahitana manodoka ary fanambaràna mamitaka no lazainy. Mihambo ho mampita hafatra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izy nefa Izaho TOMPO tsy niteny taminy akory.


Tahaka ny nanoheran-dry i Janà sy i Jambrà an’i Mosesy no anoheran-dry zareo ny fampianarana marim-pototra; fa ireo dia olona efa maloto saina, ary ny finoany efa tsy azo antoka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra