Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 18:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray teny avokoa izao ny mpaminany ka samy milaza soa ho an’ny mpanjaka; koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ny iray amin’ireo ka mba mitenena soa koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Efa iray teny, milaza soa ho an’ny mpanjaka avokoa izao ny mpaminany, ka aoka ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy isany, mba milazà soa koa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia niteny taminy hoe: Indro, fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an’ny mpanjaka: masìna hianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ny anankiray amin’ireo, ka mba mitenena soa koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro. fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an'ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaia dia niteny taminy hoe: Indro, iray teny avokoa izao ny mpaminany ka samy milaza soa ho an’ny mpanjaka; koa miangavy anao aho, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ny iray amin’ireo ka mba mitenena soa koa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe: –Tafiho i Ramôta-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.


Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako.


Ka hoy ianao hoe: «Inona no fantatr’Andriamanitra? Afa-maninteraka ny raho-mainty ve Izy mba hitsara antsika?


Dia hoy ny olon-dratsy anakampony: «Tsy raharahain’Andriamanitra izany sady ikimpiany fa tsy mba jereny ary tsy hitany na oviana na oviana!»


Hoy izy amin’ireo mpahita hoe: «Aza manam-pahitana ianareo»; ary amin’ireo mpaminany hoe: «Aza maminany zava-marina aminay, fa izay mahafaly anay ihany no lazao. Maminania nofinofy aminay.


Manafim-paharatsiana sy fiokoana izy no mamalifaly ny mpanjaka sy ny mpifehy.


Fa aza maminany eto Betela intsony, fa toeram-pivavahana najoron’ny mpanjaka sady lapan’andriamanjaka no eto.»


Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!


Hoy ny rediredin’ny sasany amiko: «Aza be rediredy aminay intsony ianao! Aoka izay ny rediredy toy ny hoe: tsy hay sakanana ny fahafaham-baràka.


ka niray hina hiady amin’i Josoa sy ny Israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra