Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 17:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Nisy aza Filistinina sasany nitondra fanomezana sy volafotsy hetra ho an’i Jôsafata; ary nisy koa Arabo nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy 7 700 sy osilahy 7 700.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary ny Filistina sasany dia nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’i Josafata; ny Arabo koa dia nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy fitonjato sy fito arivo sy osilahy fitonjato sy fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Nisy aza Filistinina sasany nitondra fanomezana sy volafotsy hetra ho an’i Jôsafata; ary nisy koa Arabo nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy 7 700 sy osilahy 7 700.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman-osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an'i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman'osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary ny Filistina sasany dia nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’i Josafata; ny Arabo koa dia nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy fitonjato sy fito arivo sy osilahy fitonjato sy fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 17:11
11 Rohy Ifampitohizana  

Nandresy ny Môabita koa izy ka nampandrîny tamin’ny tany ireo mba horefesina amin’ny tady; koa novonoiny ho faty ny androatokony ary navelany ho velona kosa ny ampahatelony. Noho izany dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Môabita.


Ary i Salômôna nanapaka tamin’ny fanjakana rehetra hatreo amin’ny ony Eofrata ka mipaka any amin’ny tanin’ny Filistinina ary hatrany amin’ny sisintanin’i Ejipta; fa nandoa hetra ireo ka nanompo an’i Salômôna tamin’ny andro rehetra niainany.


Ary niompy ondry maro i Mesà mpanjakan’i Môaba ka nandoa hetra zanak’ondry 100 000 sy ondrilahy 100 000 mbamin’ny volony ho an’ny mpanjakan’i Israely.


Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.


Koa nohamafisin’ny TOMPO ny fahefàm-panjakana teo an-tanany; ary dia nitondra fanomezana ho an’i Jôsafata ny Jodeanina rehetra, hany ka nanan-karena sy voninahitra be izy.


Dia notaomin’ny TOMPO hamely an’i Jôrama ny Filistinina ary koa ny Arabo izay mifanila amin’ny Kosîta;


Ireto Mehonita ireto aza dia nandoa hetra ho azy. Tonga nahery fatratra i Hozià ka niely laza hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.


ankoatra ny haba nalainy tamin’ny mpandranto sy ny mpivarotra, ary koa ny volamena sy volafotsy nentin’ny mpanjakan’i Arabia rehetra mbamin’ireo governoran’ny tany ho an’i Salômôna.


Ka isan-taona dia samy tonga nitondra fanomezana avy izy rehetra: dia kojakoja volafotsy sy volamena ary koa fitafiana sy fiadiana mbamin’ny zava-manitra sy soavaly na ramole.


Tsy honenana intsony i Babilôna ary tsy hisy mponina mandrakizay. Tsy hanorin-day ao ny mpifindrafindra lasy ary tsy hampandry ondry ao ny mpiandry ondry.


I Arabia sy ireo mpitondra rehetra any Kedara dia nifanao varotra taminao. Zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy no natakalony ny entanao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra