Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 15:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary nanao ny fanekempihavanana ny besinimaro fa samy vonon-kitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary nanao fanekena hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary nanao ny fanekempihavanana ny besinimaro fa samy vonon-kitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Nametra-teny ampahibemaso izy ireo fa hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary nanao fanekena hitady an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary nanao fanekena hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, tamin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo izy;

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 15:12
22 Rohy Ifampitohizana  

ary hiverina aminao amin’ny fo sy fanahy manontolo izy ao amin’izany tany nitondrana azy ho babo izany sady hivavaka mitodika amin’ity taniny izay nomenao ny razany ity sy amin’ity tanàna voafidinao ity ary amin’ity tempoly izay naoriko ho voninahitrao ity,


Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana tamin’ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan’ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.


Ary niakatra teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao ny fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandremany ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary neken’ny vahoaka rehetra izany fanekempihavanana izany.


Na iza na iza anisan’ny foko rehetra tamin’i Israely avaratra, ka nafana fo hitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia nanaraka ireo levita nankany Jerosalema mba hanolotra sorona amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy.


Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin’ny taninao ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sady naronanao ny fonao hitady an’Andriamanitra.


Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana ny olona rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho vahoakan’ny TOMPO.


Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekempihavanana amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.


Ny olona sisa, na mpisorona, na levita, na mpiandry varavarana, na mpihira, na mpanampy ny levita, na izay rehetra efa niavaka tamin’ny valovotaka mba hanaraka ny lalànan’Andriamanitra, na ny vadin’ireo, na ny zanany lahy sy vavy, izany hoe izay rehetra efa mahahaino tsara,


Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.


Ekeko eto anatrehanao kosa fa manompo ny Andriamanitry ny razanay aho amin’ny anarahako ny lalana nosoritan’Andriamanitra, izay lazain’ireo hoe diso. Izaho anefa dia mino izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna sy ny mpaminany.


Nanao mihoatra noho izay nantenainay izy ireo, fa nanolo-tena ho an’ny Tompo aloha, ary ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra.


Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.


Novorîn’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon’ny TOMPO teo imasonareo tamin’ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo.


Hidiranareo izao ny fanekempihavanana ataon’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ary hirosoanareo ny fianianana hankatoavana izany.


Dia hasandrany ho vahoakany ianareo ary Izy ho Andriamanitrareo, araka izay nampanantenainy taminareo sy nianianany tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo.


Kanefa any ianareo no hitady an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.


Koa tiavo ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny herinao manontolo.


Tamin’izany andro izany dia nanao fanekempihavanana tamin’ny vahoaka tao Sekema i Josoa, ka nanome azy fepetra amam-pitsipika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra