Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 15:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Androtrizay no nanolorana sorona ho an’ny TOMPO tamin’ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Tamin’io andro io dia nanolotra fanatitra ho an’NY TOMPO tamin’ny babo izay noentiny izy, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Androtrizay no nanolorana sorona ho an’ny TOMPO tamin’ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Tamin’izay andro izay, omby 700 sy ondry 7.000, tamin’ny babo nentiny, no nataony sorona ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an’i Jehovah tamin’ny babo izay nentiny, dia omby fiton-jato sy ondry aman-osy fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Tamin’io andro io dia nanolotra fanatitra ho an’NY TOMPO tamin’ny babo izay noentiny izy, dia omby fitonjato sy ondry aman’osy fito arivo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 15:11
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandroso teo anatrehan’ny TOMPO i Salômôna ka nanolotra sorona dorana manontolo arivo teo ambonin’ny alitara halimo akaikin’ny Tranolay fihaonana.


ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay.


ka tafavory tokoa tao Jerosalema tamin’ny volana fahatelon’ny taona faha-15 nanjakàn’i Asà.


Ka omby 22 000 sy ondry aman’osy 120 000 no nataon’i Salômôna mpanjaka sorona. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon’Andriamanitra.


Koa izany no itondranay fanatitra ho an’ny TOMPO mba hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka eo anatrehany ho an’ny tenanay, dia ny firavaka volamena hitan’ny tsirairay avy toy ny rojo, haba, peratra, kavina ary ny haingom-bozona.


Ka hoy ny navalin’i Saoly: –Nentin’ny miaramila avy tany amin’ny Hamalekita izany; satria ny biby tsara tsy mba nokasihiny fa hatao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao. Ny sisa rehetra kosa dia naringany avokoa.


fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra