Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 13:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Teo an-tampon’i Tsemaraîma, tendrombohitr’i Efraîma, no nijoro i Abià ka niteny hoe: «Henoy aho, ry Jerôbohama sy ry Israelita rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima izay any amin’ny tany be havoana any Efraima i Abia ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Israely rehetra:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Teo an-tampon’i Tsemaraîma, tendrombohitr’i Efraîma, no nijoro i Abià ka niteny hoe: «Henoy aho, ry Jerôbohama sy ry Israelita rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semeròna, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Abià ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jerôbôama sy i Israely rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin’ny tany havoan’i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima izay any amin’ny tany be havoana any Efraima i Abia ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Israely rehetra:

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:4
5 Rohy Ifampitohizana  

ny Arvadita sy ny Tsemarita ary ny Hamatita. Taorian’izany dia niparitaka ireo foko kanahanita,


Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.


ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.


i Bety-Harabà, i Tsemaraîma, i Betela,


Notantaraina tamin’i Jôtama izany. Koa lasa izy nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Gerizima, dia nanandra-peo ka niantso mafy hoe: –Mihainoa ahy ianareo mponin’i Sekema, dia mba hihaino anareo koa Andriamanitra!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra