Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

2Tantara 13:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 I Abia no nanomboka ny ady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; i Jeroboama kosa dia nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ka i Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, 400.000; fa lehilahy voafantina 800.000, mpiady mahery, kosa no nalahatr’i Jerôbôama hiady aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

3 I Abia no nanomboka ny ady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; i Jeroboama kosa dia nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

2Tantara 13:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny sisa amin’ny tantaran’i Abiama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. Ary nisy ady hatrany teo amin’i Abiama sy i Jerôbohama.

Dia natolotr’i Jôaba an’i Davida ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely manontolo dia nisy 1 100 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 470 000.

Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna mba hiady amin’i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an’ny tenany.

ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanakavavin’i Oriela avy any Gibehà. Niady i Abià sy i Jerôbohama.

Teo an-tampon’i Tsemaraîma, tendrombohitr’i Efraîma, no nijoro i Abià ka niteny hoe: «Henoy aho, ry Jerôbohama sy ry Israelita rehetra!

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra