Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 13:2 - DIEM PROTESTANTA

2 ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanakavavin’i Oriela avy any Gibehà. Niady i Abià sy i Jerôbohama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Mikaia, zanakavavin’i Oriela, avy any Gibea. Ary niady i Abia sy i Jeroboama.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanakavavin’i Oriela avy any Gibehà. Niady i Abià sy i Jerôbohama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanaka vavin’i Oriela, avy any Gabaà. Niady i Abià sy i Jerôbôama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin’i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Mikaia, zanakavavin’i Oriela, avy any Gibea. Ary niady i Abia sy i Jeroboama.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:2
11 Rohy Ifampitohizana  

Ny sisa amin’ny tantaran’i Jerôbohama ary koa ny ady nataony sy ny fomba nanjakany dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.


Ny nanjakàn’i Jerôbohama dia naharitra 22 taona; ary rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany izy, dia i Nadaba zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mahekà zanakavavin’i Abisalôma.


Ankoatran’i Mahalato dia nalain’i Rehabohama ho vady koa i Mahekà zanakavavin’i Absalôma sady niteraka an’i Abià sy i Hatahy ary i Zizà sy i Selômita.


Ny tantaran’i Rehabohama, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Semahià mpaminany sy i Hidao mpahita sady voavisavisa tsara. Ary niady mandrakariva i Rehabohama sy i Jerôbohama.


Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.


i Tselà, i Elefa, ny tanànan’ny Jebosita (izany hoe i Jerosalema), i Gibehata, ary i Kiriata; izany hoe tanàn-dehibe 14 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy. Izany no zaratany nolovan’ny Benjaminita ho an’ireo tarika ao anatiny.


Dia nanohy ny diany izy. Ary efa nilentika ny masoandro fony izy tonga teo akaikin’i Gibehà, tao amin’ny faritanin’i Benjamîna.


Kinanjo intỳ nisy lahiantitra iray tonga avy any an-tsaha niditra ny tanàna, iny hariva iny. Olona avy amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy, saingy nipetraka tao Gibehà tanàna fonenan’ny Benjaminita.


I Saoly koa mba nody tany aminy any Gibehà, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy izay nentanin’Andriamanitra ho mpomba azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra