Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 11:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Kinga i Rehabohama ka nanaparitaka ny zanakalahiny hafa rehetra eran’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna, dia tany amin’ny tanànamimanda samihafa; nomeny sakafo betsaka ireo sady nitadiavany vady maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Nahazo hevitra izy ka nampiely ny zanany manerana ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra, dia tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, ary nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Kinga i Rehabohama ka nanaparitaka ny zanakalahiny hafa rehetra eran’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna, dia tany amin’ny tanànamimanda samihafa; nomeny sakafo betsaka ireo sady nitadiavany vady maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Naeliny tamim-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran’ny tanin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Nahazo hevitra izy ka nampiely ny zanany manerana ny tanin’i Joda sy i Benjamina rehetra, dia tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, ary nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 11:23
8 Rohy Ifampitohizana  

Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.


I Abià, zanakalahin’i Mahekà, no nataon’i Rehabohama ho filohan’ireo rahalahiny, satria izy no niriny hampanjakaina.


Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanànamimanda tany Joda,


Rehefa nampandry ny fanjakany sady nanamafy fahefana i Rehabohama, dia nandao ny lalànan’ny TOMPO na ny tenany na ny Israelita rehetra tatsimo.


Samy notoloran-drainy fanomezana betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy mbamin’ny fifehezana tanànamimanda sasany tao Joda; fa ny maha-andriamanjaka kosa dia natolony an’i Jôrama, satria izy no lahimatoa.


Noderain’ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin’ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra