Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 11:18 - DIEM PROTESTANTA

18 I Rehabohama dia nanambady an’i Mahalato izay i Jerimôta zanakalahin’i Davida no rainy ary i Abihaîla zanakavavin’i Eliaba sady zafin’i Jisay no reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary i Rehoboama dia naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy i Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 I Rehabohama dia nanambady an’i Mahalato izay i Jerimôta zanakalahin’i Davida no rainy ary i Abihaîla zanakavavin’i Eliaba sady zafin’i Jisay no reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Nalain-dRôbôama ho vady i Mahalata, zanaka vavin’i Jerimota, zanak’i Davida sy i Abihaila, zanaka vavin’i Eliaba zanak’i Isaia,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary Rehoboama naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary i Rehoboama dia naka an’i Mahalota, zanakavavin’i Jerimota, zanak’i Davida, sy i Abihaila, zanakavavin’i Eliaba, zanak’i Jese, ho vadiny;

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 11:18
6 Rohy Ifampitohizana  

ary i Jesè no ray niteraka azy fito mirahalahy ireto: dia i Eliaba sy i Abinadaba, i Simehà


Tamin’ny fokon’i Joda, dia i Elihò izay isan’ny rahalahin’i Davida. Tamin’ny fokon’i Jisakara, dia i Hômrỳ zanakalahin’i Mikaela.


I Mahalato dia nahazoan’i Rehabohama zazalahy telo, dia i Jehosa sy i Semarià ary i Zahama.


Rehefa tonga izy ireo, dia tazan’i Eliaba i Samoela, ka hoy izy hoe: «Ity mijoro eto anatrehany ity tokoa ilay nofinidin’ny TOMPO.»


Ny zanany telolahy zokiny, i Eliaba sy i Abinadaba ary i Samà, dia voaantso miaramila ka niara-niantafika tamin’i Saoly. Fa i Davida kosa, ilay zandriny indrindra,


Fa i Eliaba zokiny lahimatoa kosa, raha nandre azy tafaresaka tamin’ny miaramila, dia nisafoaka tamin’i Davida ka nanao hoe: –Inona moa no ataonao atỳ? Iza no namelanao ireo ondrinao vitsivitsy any an-taniefitra? Fantatro tsara ny fieboeboanao sy ny haratsiam-panahinao, fa hijery ady no nahatongavanao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra