Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 2:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan’izy rehetra ny finoana marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan’izy rehetra ny finoana marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 2:4
32 Rohy Ifampitohizana  

Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin’ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.


Dia nitenenany aho ka nataony hoe: «Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»


«Niaritra fahoriana mafy ny Mpanompoko, hoy ny TOMPO, ka dia hahita ny taranaka sy ho lava andro iainana. Ho fantatry ny olona fa marina io Mpanompoko io; ka dia Izy no hahatonga ny besinimaro ho marina, satria ny tenany no mivesatra ny helok’ireo.


He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinàna fa tsy ialam-bola izany; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.


Moa sitrako ve ny hahita ny olon-dratsy ho faty? Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra fa ny hiovany fitondrantena mba hahavelomany no sitrako.


Fa tsy sitrako ny hahafaty ny olona. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Ovay ny toe-dratsy, dia ho velona ianareo.›


Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?


Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra dia hanenika ny mponin’ny tany tokoa tahaka ny anaronan’ny ranobe ny fanambanin’ny ranomasina.


koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,


Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Mandehana eran’izao tontolo izao, torio amin’ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly.


ny vahoakany hampahalalainao ny famonjena, ka hahafantatra fa voavela ny helony.


Ary hoy ny tompom-panasana tamin’ilay mpiasany: «Ny lalan-kely sy ny sisim-boly indray àry aleha, ka ataovy izay hidiran’ny olona atỳ mba ho feno ny tranoko!»


ary ny anarany no tsy maintsy hotorîna hatao antso avo amin’ny firenen-drehetra miantomboka eto Jerosalema, mba hanainga ny olona hiala amin’ny toetra ratsiny sy handray famelan-keloka.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Atokàny ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra.


Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy; ary izay hanatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany,


sao mba hahavelom-pialonana ireo havako ara-nofo, ka hahavonjeko ny sasany amin’izy ireo.


Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.


ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon’Andriamanitra miala amin’ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra;


vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana.


Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’Andriamanitra sy apôstôlin’i Jesoa Kristy. Nirahina aho hampandroso ny finoan’ireo olom-boafidin’Andriamanitra ary hampahalala azy ny fampianarana marim-pototra mifanaraka amin’ny fivavahantsika,


Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra.


Satria efa nandray ny fahalalana tsara ny fampianarana marim-pototra isika no mbola minia manota ihany, dia tsy misy sorona ho afa-manala ny ota intsony;


Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina.


Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenàny: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin’ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra.


Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Andriambavy voafidin’Andriamanitra, ary mamangy an’ireo zanakao izay tiako marina tokoa; ary tsy izaho ihany no manam-pitiavana anareo fa izay rehetra mahalala ny hafatra marim-pototra koa,


Ary hitako nisy anjely anankiray hafa koa nanidina teny amin’ny habakabaka farany ambony. Io anjely io dia nanana hafatra soa maharitra mandrakizay hotorîny amin’izay monina ambonin’ny tany, dia amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena mbamin’ny olona samy hafa fiteny sy ny vahoaka isan-tokony;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra