Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 2:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Fa iray Andriamanitra ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, izay olona,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Fa iray Andriamanitra ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy* Jesosy, izay olona,

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 2:5
28 Rohy Ifampitohizana  

Raha mba nisy ahay mpanelanelana izay nametra-tanana taminay roa tonta,


Izao no lazain’ny TOMPO dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Mpanjakan’i Israely sy Mpanavotra azy: «Izaho no voalohany ary Izaho no farany, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.


«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).


Tsy ampy toy inona, dia hoy ilay mpiasa hoe: «Vita, tompoko, izay nodidianao hatao, kanefa mbola misy toerana ihany.»


Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.


Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an’i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.


Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin’ny lanitra anarana hafa nomen’Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!


dia ny amin’ny Zanany, i Jesoa Kristy Tompontsika. Araka ny maha olombelona, dia avy amin’ny taranak’i Davida mpanjaka i Jesoa;


Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena, fa ny Tompo iray ihany ny an’ny rehetra, Tompo malala-tanana amin’izay rehetra miantso Azy.


Koa azo hanina ve ny hena natao sorona tamin’ny sampy? Fantatsika fa tsinontsinona ny sampy eo amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy ilay Andriamanitra tokana.


amintsika kosa tokana ihany Andriamanitra, dia ny Ray Izy niavian’ny zavatra rehetra sady iafarantsika; ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesoa Kristy Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika.


kanefa ny mpanalalana dia tsy an’ny iray ihany, fa Andriamanitra kosa no iray ihany.


iray Andriamanitra sady Rain’ny kristianina rehetra, manjaka amin’izy rehetra, miasa amin’ny alalan’izy rehetra ary mitoetra ao amin’izy rehetra.


«Mihainoa, ry vahoaka Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana.


Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan’ilay Andriamanitra fototr’ain’ny zavatra rehetra sy eo anatrehan’i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an’i Pônty Pilato:


Ny efa nohatoninareo dia i Jesoa, mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana Vaovao, ary koa ny rany nafafy izay miteny tsara lavitra noho ny ran’i Abela.


Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin’Andriamanitra ho azy ireo.


Fa ankehitriny i Jesoa dia nanankinana fanompoam-pivavahana tsara lavitra noho ny an’ireo mpisorona ireo, satria Izy no mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana tsara lavitra izay miorina amin’ny fampanantenana tsara lavitra.


Ary noho izany, dia mpanalalana amina Fanekempihavanana Vaovao i Kristy, mba hahazoan’ireo voaantson’Andriamanitra ny lova mandrakizay efa nampanantenainy ho an’ny vahoakany. Tanteraka izany rehefa niharan’ny fahafatesana i Kristy mba hanavotra ny olona amin’ny fahotana vitany tamin’ny andron’ilay Fanekempihavanana voalohany.


Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.


ary teo afovoan’ireo fitoeranjiro ireo dia nisy tahatahaka ny Zanak’olona, niakanjo akanjo lava, nanao etra volamena manodidina ny tratrany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra