Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 2:2 - DIEM PROTESTANTA

2 mivavaha ho an’ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn’ny firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika am-piadanana sy mandry fehizay amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 mivavaha ho an’ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn’ny firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 ho an’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika am-piadanana sy mandry fehizay amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 2:2
22 Rohy Ifampitohizana  

Amiko dia anisan’ny tia fihavanana sy mahatoky indrindra amin’i Israely ny mponina eto; kanefa dia tadiavinao ho ravana ity tanàna anisan’ny lehibe amin’i Israely ity. Nahoana no holevoninao ny fananan’ny TOMPO?


Dia afaka hanolotra sorona ho hanitra ankasitrahina ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra ry zareo, no hivavaka mba ho ela velona ny amperôra mbamin’ny zanany.


Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra! Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.


Tao amin’ny tahirin-kiran’i Salômôna. Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka izany fahaizanao mitsara; omeo ity taranak’andriana izany fitandroanao ny rariny.


Anaka, manajà ny TOMPO ary koa ny mpanjaka; aza ikambananao ireo mitady hikomy aminy.


Katsaho izay hampisy fiadanana any amin’ny tanàna izay nandefasako anareo ho babo, ka mivavaha amiko ho azy, fa arakaraky ny hampiadana azy no hiadananareo koa.›


Olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady ary nanaraka ny didy amam-pitsipiky ny Tompo an-tsakany sy an-davany.


Tao Jerosalema tamin’izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an’Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn’ny Fanahy Masina izy


Dia hoy izy telo lahy: –Iraky ny kapiteny Kôrnely izahay. Izy dia lehilahy tia rariny sady mpanaja an’Andriamanitra no tsara laza amin’ny Jiosy rehetra. Notoroan’ny anjely masina hevitra izy mba hampaka anao ho any an-tranony ary hihaino izay zavatra hambaranao aminy.


Noho izany, dia miezaka lalandava aho mba tsy homelohin’ny fieritreretako eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona.


Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.


Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.


Miezaha hanana fiainana tsy misy raorao ka tanteraho ny raharahanareo sy ny asa fivelomanareo, araka izay efa nameperanay anareo;


Iezaho ny hahatsara fihavanana amin’ny olona rehetra sy ny hanana toe-piainana masina; fa izay tsy manana toe-piainana masina dia tsy hahita ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra