Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 2:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hafatrafarako voalohany indrindra àry ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hafatrafarako voalohany indrindra àry ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 KOA mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 2:1
26 Rohy Ifampitohizana  

Dia afaka hanolotra sorona ho hanitra ankasitrahina ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra ry zareo, no hivavaka mba ho ela velona ny amperôra mbamin’ny zanany.


Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!


Katsaho izay hampisy fiadanana any amin’ny tanàna izay nandefasako anareo ho babo, ka mivavaha amiko ho azy, fa arakaraky ny hampiadana azy no hiadananareo koa.›


Kanefa ninian’Andriamanitra tsy jerena intsony ireo andro tsy nahalalana Azy, fa antsoiny hiala amin’ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra, na aiza na aiza.


Voalohany indrindra dia velom-pisaorana an’ilay Andriamanitro aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran-tany ny finoanareo.


Isaorana Andriamanitra fa mpanompon’ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo.


Izao no fampianarana isan’ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan’ny Soratra Masina,


Ka dia niangavianay i Tito hankatỳ aminareo hahatomombana izany asa fanasoavana izany, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.


Koa izany no angatahako anareo mba tsy ho ketraka amin’ny fahoriana manjo ahy hanasoavana anareo, fa misy vokany be voninahitra ho anareo izany.


Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan’ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin’io tanjona io, ary dia mivavaha ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.


Velom-pisaorana an’Andriamanitro ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo.


Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin’Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin’ny fo feno fankasitrahana.


Ny Tompo anie hampitombo ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny olona rehetra ho tahaka ny itiavanay anareo!


Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra.


Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan’izy rehetra ny finoana marina.


Ny vehivavy, tena mpitondratena tokoa sady tsy mana-mpiahy, dia efa nametraka ny fanantenany amin’Andriamanitra, ka mivavaka hatrany ary mangataka hampian’Andriamanitra andro aman’alina.


fa ny mpanompon’ny Tompo dia tsy tokony ho fiadîna, fa tokony halemy fanahy amin’ny olona rehetra, hahay mampianatra, hahalefitra,


Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra.


Aoka ny mpino tsy hanevateva olona, tsy ho fiadîna, fa handefitra, haneho halemem-panahy lalandava amin’ny olona rehetra.


Ary dia irînay haneho fahazotoana toy izany hatramin’ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo.


Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra