Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 6:39 - DIEM PROTESTANTA

39 Ireto no fonenan’ny taranak’i Levỳ, araka ny toerana nisy azy tao amin’ny zara taniny avy. Ny taranak’i Aharôna, avy amin’ny tarik’i Kehata, no voatendrin’ny antsapaka ho voalohany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Ireto no toeram-ponenany araka ny vohiny tao amin’ny zarataniny avy. Ny an’ny taranak’i Arona, avy amin’ny fianakavian’ny Kehatita izay nahazo ny antsapaka voalohany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 Ireto no fonenan’ny taranak’i Levỳ, araka ny toerana nisy azy tao amin’ny zara taniny avy. Ny taranak’i Aharôna, avy amin’ny tarik’i Kehata, no voatendrin’ny antsapaka ho voalohany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

39 Ary izao no fonenany, araka ny fari-bohiny, tao amin’ny zarataniny avy: Ny taranak’i Aarôna, amin’ny fianakavian’ny Kaatita, izay voatendrin’ny filokana voalohany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin’ny zara-taniny avy, dia ny an’ny taranak’i Arona, avy amin’ny fokon’ny Kehatita; fa azy ny loka:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin'ny zara-taniny avy, dia ny an'ny taranak'i Arona, avy amin'ny fokon'ny Kehatita; fa azy ny loka:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

39 Ireto no toeram-ponenany araka ny vohiny tao amin’ny zarataniny avy. Ny an’ny taranak’i Arona, avy amin’ny fianakavian’ny Kehatita izay nahazo ny antsapaka voalohany,

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 6:39
33 Rohy Ifampitohizana  

Koa tamin’io andro io no voalohany nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny namany hidera ny TOMPO.


I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:


Ny an’ny zanakalahin’i Asafa dia ry i Zakora sy i Jôsefa ary i Netanià sy i Asarelà. Ireo zanakalahin’i Asafa ireo dia notarihin’i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra araka ny fitarihan’ny mpanjaka.


Ny amin’ny mpiandry vavahady, dia izao no fitsinjarana azy ho antokony: Tamin’ny taranak’i Kôra dia i Meselemià zanakalahin’i Kôra sady zafin’i Abiasafa.


i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba, ary i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka.


ka dia nomena ny tanàna Hebrôna mbamin’ny kijàna manodidina azy tao amin’ny Joda;


Teo anivon’izany vahoaka tafangona izany i Jahaziela, levita zanakalahin’i Zakarià sy zafin’i Benaià sy zafiafin’i Jehiela ary zafindohalik’i Matanià sady anisan’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’ny TOMPO,


tamin’ny terak’i Elitsafàna, dia i Simrỳ sy i Jehoela; tamin’ny terak’i Asafa, dia i Zakarià sy i Matanià;


Ary i Hezekià sy ny manampahefana dia nanainga ny levita mbola hidera ny Tompo tamin’ny tononkiran’i Davida sy ny an’i Asafa mpahita; ka nihira fiderana tamin-kafaliana izy, avy eo dia niondrika sy niankohoka hitsaoka ny TOMPO.


Ireo mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny toerany araka ny fepetra nataon’i Davida ary koa nataon’i Asafa sy i Hemàna mbamin’i Jedotòna izay samy mpanoro hevitra ny mpanjaka; ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady. Noho ireo tsy afaka niala tamin’ny fanompoany, dia ny levita namany koa no nanamboatra ny sakafo Paska ho azy.


Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.


Ny amin’ny antoko-mpihira koa dia izao: ny terak’i Asafa dia nisy lehilahy 128.


Nony nandatsaka ny fototr’ilay tempolin’ny TOMPO ireo mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra ary koa ny levita terak’i Asafa nitondra kipantsona, mba hidera ny TOMPO araka ny nandidian’i Davida mpanjakan’i Israely.


i Matanià zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zabdy ary zafiafin’i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin’ny fotoam-pivavahana; i Bakbokià rahalahin’i Matanià sady mpanampy azy amin’ny hira; ary i Habdà, zanakalahin’i Samoa sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotona.


Ny mpifehy ny levita tao Jerosalema dia i Hozy, zanakalahin’i Banỳ sy zafin’i Hasabià sy zafiafin’i Matanià ary zafin-dohalik’i Mikà; i Hozy dia anisan’ny tarik’i Asafa, ilay tarika mpihira miadidy ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra.


taorian’ireo ny sasany tamin’ny mpisorona mpitondra trompetra; avy eo i Zakarià, zanakalahin’i Jônatàna sy zafin’i Semahià sy zafiafin’i Matanià sy zafin-dohalik’i Mikaià sy zafin-kitrokelin’i Zakora ary zafim-paladian’i Asafa,


Tamin’ny andron’i Davida manko dia i Asafa no lehiben’ny mpihira ary nisy ny mpitarika antoko-mpihira mbamin’ny hira fiderana sy fisaorana ho fankalazana an’Andriamanitra.


Ny amin’ny antoko-mpihira koa dia izao: ny terak’i Asafa dia nisy lehilahy 148.


Salamo nataon’i Asafa . Ny TOMPO Andriamanitra Avo Indrindra no miteny ka miantso ny olona eran’ny tany, dia hatreo amin’izay iposahan’ny masoandro ka hatrany amin’izay ilentehany.


Salamo nataon’i Asafa . Tsara mihitsy Andriamanitra amin’i Israely, dia amin’izay rehetra madio fo.


Tononkalo fananarana nataon’i Asafa . Andriamanitra ô, nahoana izahay no dia narianao tanteraka? Nahoana izahay andian’ondry fiandrinao no irehetan’ny fahatezeranao?


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe: «Aza ravana...». Salamo nataon’i Asafa. Tononkira.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo nataon’i Asafa. Tononkira.


Tao amin’ny tahirin-kiran’i Jedotòna filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Asafa.


Tononkalo fananarana nataon’i Asafa. Henoy tsara ny fampianarako, ry mpiray firenena amiko; atongilano ny sofinareo amin’izay teny lazaiko.


Salamo nataon’i Asafa. Andriamanitra ô, nidiran’ireo hafa firenena ny taninao ka nozimbazimbainy ny tempolinao masina ary nataony korontam-bato i Jerosalema.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Salamo fahatsiarovana nataon’i Asafa.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny jejilava. Salamo nataon’i Asafa.


Salamo nataon’i Asafa. Mijoro eo anivon’ny fivoriam-be Andriamanitra; eo afovoan’ireo andriamanitra Izy no mitsara ka miteny hoe:


Tononkira. Salamo nataon’i Asafa.


Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia ho an’ireo tarika taranak’i Kehata; anisan’ny levita kehatita ny taranak’i Aharôna mpisorona ka ny azon’ireo tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna ary fokon’i Benjamîna.


Ireto no anaran’ireo tanàna avy tamin’ny fokon’i Joda sy fokon’i Simehôna,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra