Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 28:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Nomeny azy koa ny sarin’izay rehetra efa nokasainy hatao momba ireo kianja ao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ny efitrano rehetra manodidina ireo kianja: efitrano fitahirizana ny zava-tsarobidin’ny tranon’Andriamanitra sy fitahirizana ny zava-tsarobidy natokana ho an’ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 natolony azy ny sarin’izay rehetra efa niseho tamin’ny fanahiny; dia ny amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO, ny efitrano rehetra manodidina azy ho an’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny ny tranon’NY TOMPO, ny rakitra masina;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Nomeny azy koa ny sarin’izay rehetra efa nokasainy hatao momba ireo kianja ao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ny efitrano rehetra manodidina ireo kianja: efitrano fitahirizana ny zava-tsarobidin’ny tranon’Andriamanitra sy fitahirizana ny zava-tsarobidy natokana ho an’ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 mbamin’ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan’ny tranon’i Iaveh sy ny efitra rehetra amin’ny manodidina, ho an’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 ary ny sarin’izay rehetra efa niseho tamin’ny fanahiny; dia ny amin’ny kianjan’ny tranon’i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an’ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 ary ny sarin'izay rehetra efa niseho tamin'ny fanahiny; dia ny amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 natolony azy ny sarin’izay rehetra efa niseho tamin’ny fanahiny; dia ny amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO, ny efitrano rehetra manodidina azy ho an’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny ny tranon’NY TOMPO, ny rakitra masina;

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 28:12
16 Rohy Ifampitohizana  

ka namabo ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; nobaboiny avokoa ireo, indrindra ny ampinga volamena rehetra nataon’i Salômôna.


Nampidiriny tao an-tranon’ny TOMPO ireo zavatra natokan-drainy sy natokan’ny tenany ho an’Andriamanitra, dia volafotsy sy volamena ary kojakoja maro isan-karazany.


Dia nalain’i Asà ny volafotsy sy ny volamena rehetra sisa tamin’ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ka natolony teo an-tanan’ny solotenany; ary nampanateriny tany amin’i Bena-Hadada zanakalahin’i Tabrimôna sy zafikelin’i Heziôna izany, dia i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nonina tao Damasy sady nombany hafatra hoe:


Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja samihafa ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’ny TOMPO.


Dia naka izay volafotsy sy volamena hitany tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny tahirin-dapa i Ahaza ka nandefa izany ho fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asiria.


Dia nomen’i Hezekià azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny rakitry ny lapan’ny mpanjaka.


Ny levita naman’ireo kosa dia nisy mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an-tempolin’Andriamanitra, zavatra sarobidy izay voatokana ho an’Andriamanitra.


Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo.


Dia hoy i Davida hoe: –Izany rehetra izany, anaka, dia ao anatina rakitsoratra avy tamin’ny TOMPO, rakitsoratra izay nampahafantatra ahy ny asa rehetra asehon’ny sary.


Imasoy, ry Mosesy, ny hanatanterahana ny asa araka ny môdely izay nasehoko anao teto an-tendrombohitra.


–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,


«Mandehana mankany amin’ny fokon’ny Rekabita ka reseo lahatra izy mba hankao amin’ny efitra iray ao an-tranoko, dia rosoy divay hosotroiny.»


Tao anaty fahitana no nitondran’Andriamanitra ahy nankany amin’ny tanin’i Israely. Napetrany teo an-tampon’ny tendrombohitra iray avo dia avo aho, ka teo amin’ny ilany atsimo dia nisy andian-trano vaventy miendrika tanàna.


Nisy efitrano iray mifandray amin’ny lalantsaran’ny vavahady avaratra, ka tao no nanasana ireo biby vonoina hatao sorona dorana manontolo.


Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra