Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 28:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Natolotr’i Davida an’i Solomona zanany ny sarin’ny lalantsara fidirana sy ny trano, ny trano fitahirizan-drakitra, ny efitrano ambony, ny efitrano anatiny, ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny sarin’ny Toeramasina sy ny trano fanampiny –efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny –ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny mariky ny alo-baravarana, ny trano, ny efitry ny rakitra, ny efitra ambony, ny efitra anatiny miray amin’io, ny efitry ny fanoneram-pahotana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary Davida nanome an’i Solomona zanany ny sarin’ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary Davida nanome an'i Solomona zanany ny sarin'ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Natolotr’i Davida an’i Solomona zanany ny sarin’ny lalantsara fidirana sy ny trano, ny trano fitahirizan-drakitra, ny efitrano ambony, ny efitrano anatiny, ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana;

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 28:11
28 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny paosin-trano natao manodidina dia mirefy roa metatra sy sasany ny haavony isaky ny rihana, ary hazo sedera no nanakambanany azy tamin’ny rindrin’ny tempoly.


Ny lalantsara fidirana, izay teo anoloan’ny efitrano malalaka amin’ny tempoly dia nirefy folo metatra toy ny sakan’ny tempoly ihany ary dimy metatra ny lafiny miditra ho amin’io efitrano io.


Nomeny azy koa ny sarin’izay rehetra efa nokasainy hatao momba ireo kianja ao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ny efitrano rehetra manodidina ireo kianja: efitrano fitahirizana ny zava-tsarobidin’ny tranon’Andriamanitra sy fitahirizana ny zava-tsarobidy natokana ho an’ny Tompo.


Dia hoy i Davida hoe: –Izany rehetra izany, anaka, dia ao anatina rakitsoratra avy tamin’ny TOMPO, rakitsoratra izay nampahafantatra ahy ny asa rehetra asehon’ny sary.


Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;


dia nanomanany efitrano lehibe io Tôbià io, dia ilay efitrano nitehirizana hatrizay ny fanatitra vokatry ny tany sy ny vovo-javamanitra ary ny fanaka mbamin’ny ampahafolon’ny vary sy divay ary menaka; tao koa no nitehirizana ny fanatitra voatokana ho an’ny levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana mbamin’ny fanatitra navahana ho an’ny mpisorona.


Imasoy, ry Mosesy, ny hanatanterahana ny asa araka ny môdely izay nasehoko anao teto an-tendrombohitra.


Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.


Rehefa izany, ry Mosesy, dia asaovy atsangana araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra ny fonena-masina.


«Mandehana mankany amin’ny fokon’ny Rekabita ka reseo lahatra izy mba hankao amin’ny efitra iray ao an-tranoko, dia rosoy divay hosotroiny.»


Manomboka eo amin’ny fidirana voalohany eo amin’ny tamboho ivelan’ny vavahady ka hatramin’ny rindrina manoloana ny faran’ny lalantsara erỳ am-pita dia nisy 25 metatra.


Ary nanopy ny masony i Jesoa ka nahita ireo mpanankarena nandrotsa-bola teo amin’ny vata fitoeran-drakitra.


Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra