Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 24:6 - DIEM PROTESTANTA

6 I Semahià, izay zanakalahin’i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan’ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan’i Tsadôka mpisorona sy i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin’ny terak’i Elehazara, vao iray kosa tamin’ny terak’i Itamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 I Semaia, zanak’i Netanela, mpitantsoratra iray tamin’ny levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ny mpanjaka, ny mpanapaka, i Zadoka mpisorona, i Ahimeleka, zanak’i Abiatara ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny levita. Fianakaviana iray no nalaina ho an’i Eleazara, ary iray kosa dia ho an’Itamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 I Semahià, izay zanakalahin’i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan’ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan’i Tsadôka mpisorona sy i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin’ny terak’i Elehazara, vao iray kosa tamin’ny terak’i Itamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 I Semeiàsa zanak’i Natanaely mpanoratra, anankiray tamin’ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan’i Sadôka mpisorona, sy i Akimeleka zanak’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita; amin’ny filokana maka fianakaviana iray avy amin’i Eleazara, dia iray avy amin’i Itamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary Semaia, zanak’i Netanela, mpanoratra anankiray tamin’ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak’i Abiatara, sy teo anatrehan’ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an’i Eleazara, ary iray kosa ho an’Itamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 I Semaia, zanak’i Netanela, mpitantsoratra iray tamin’ny levita*, no nanoratra azy teo anatrehan’ny mpanjaka, ny mpanapaka, i Zadoka mpisorona, i Ahimeleka, zanak’i Abiatara ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny levita. Fianakaviana iray no nalaina ho an’i Eleazara, ary iray kosa dia ho an’Itamara.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 24:6
12 Rohy Ifampitohizana  

i Elihôrefa sy i Ahià, samy zanakalahin’i Sisà, no mpitantsoratra; i Jôsafata zanakalahin’i Ahiloda no mpitondratenin’ny mpanjaka;


i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Abimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Savesà no mpitantsoratra;


Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.


Toraka ireo rahalahiny, taranak’i Aharôna, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin’ny antsapaka teo anatrehan’i Davida mpanjaka, teo anatrehan’i Tsadôka sy i Abimelèka, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian’ny zokiny na ny fianakavian’ny zandriny.


Ny antsapaka voalohany dia azon’i Jôiariba; ny faharoa, azon’i Jedahià;


ka natao tonian’ny mpitondra entana sy mpibaiko ny mpiasa rehetra araka ny anton-draharahany avy; ary tamin’ny levita koa dia nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.


Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.


Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano no nivoriany tamin’ny andro voalohan’io volana io. Nasain’ny vahoaka nalain’i Hezrà mpahay Lalàna ny bokin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nandidian’ny TOMPO an’ireo Israelita. Dia nentin’i Hezrà mpisorona izany ho eo anatrehan’ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino.


Dia hoy indray i Jesoa taminy: –Koa amin’izany àry, ny mpahay lalàna rehetra izay nanjary mpianatra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny tompon-drakitra izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny tahirin-drakiny.


Nisy anefa mpahay lalàna nanatona Azy ka nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, hiaraka aminao aho na aiza na aiza alehanao!


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra i Davida tamin’ny andron’i Abiatara mpisorombe, ary nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra; kanefa izany mofo izany tsy azon’iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona ihany. Dia nomen’i Davida koa ireo olona niaraka taminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra