Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 24:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Izany no fitsinjarana ny taranak’i Aharôna ho antokony amin’ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an-tranon’ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin’ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nampitan’i Aharôna razambeny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay hidirany ao amin’ny tranon’NY TOMPO araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Izany no fitsinjarana ny taranak’i Aharôna ho antokony amin’ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an-tranon’ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin’ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nampitan’i Aharôna razambeny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon’i Iaveh, araka ny fandaharana nomena azy, tamin’ny alalan’i Aarôna, rainy, araka ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay idirany ao an-tranon’i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay hidirany ao amin’ny tranon’NY TOMPO araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, azy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 24:19
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.


ny faha-23, azon’i Delaià; ny faha-24, azon’i Mahazià.


Ny amin’ireo levita sisa dia izao: Tamin’ny taranak’i Hamrama dia i Sobaela; ary tamin’ny zanakalahin’i Sobaela dia i Jehedeià.


I Aharôna sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin’ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra.


ny havany mpiara-miasa aminy kosa dia nonina tany amin’ny tanànany avy ary nasaina ho tonga, isaky ny fotoanandrony, mba hiasa mandritra ny herinandro.


Koa izao no hataonareo: ianareo mpisorona sy levita izay milatsaka amin’ny andro sabata, dia aoka ny ampahatelonareo ho mpiandry ny varavaran’ny tempoly,


Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody.


Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan’Andriamanitra tao an-tempoly i Zakarià, satria tonga ny anjaran’ny antokony.


Aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.


Foto-javatra tamin’ny lalàna nomena ny vahoaka Israely ny fisoronan’i Levỳ. Koa raha nahatratra ny fanaperana tokoa ny fisoronan’i Levỳ, dia ho tsy nilaina intsony ny hisehoana Mpisorona anankiray hafa indray, dia Mpisorona araka ny fomban’i Melkitsedeka fa tsy tendrena araka ny fomban’i Aharôna;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra