Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 18:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Nahazoan’i Davida halimo be dia be koa tao Tibihata sy Kona, izay samy tanànan’i Hadadehezera; ka izany halimo izany no nanaovan’i Salômôna ilay fitobian-drano boribory goavana mbamin’ireo andry sy ireo fanaka halimo (tao an-tempoly).

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Tao Tibata sy Kona, tanànan’i Hadadezera, no nahazoan’i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’i Solomona ilay koveta varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Nahazoan’i Davida halimo be dia be koa tao Tibihata sy Kona, izay samy tanànan’i Hadadehezera; ka izany halimo izany no nanaovan’i Salômôna ilay fitobian-drano boribory goavana mbamin’ireo andry sy ireo fanaka halimo (tao an-tempoly).

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Varahina be dia be koa no nalain’i Davida tao Tebata sy i Kona tanànan’i Adarezera, ary izany no nanaovan’i Salômôna ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary tao Tibata sy Kona, tanànan’i Hadarezera, no nahazoan’i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Tao Tibata sy Kona, tanànan’i Hadadezera, no nahazoan’i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’i Solomona ilay koveta varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 18:8
10 Rohy Ifampitohizana  

Nahazoan’i Davida mpanjaka halimo be dia be koa tao Betà sy Berôtahy, izay samy tanànan’i Hadadehezera.


Ary nalain’i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ny mpanompon’i Hadadehezera ka nentiny tany Jerosalema.


Ren’i Tôhỳ, mpanjakan’i Hamàta, fa resin’i Davida avokoa ny tafik’i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà;


He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an’ny tranon’ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.


Dia nanao ireo andry roa teo anoloan’ny Toeramasina i Horama, ka 17 metatra sy sasany ny haavony; ary ny koronosy teo an-tampony kosa dia roa metatra sy sasany avy ny haavony.


Rehefa vitan’i Horama ny vilany fanangonan-davenona sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa ny asa izay nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra