Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 18:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Davida ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ARY Davida nanjaka tamin’ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Davida ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 18:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin’ny vahoakany rehetra.


Tamin’ireo teny ampita atsinanan’i Jôrdàna, izany hoe tamin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 120 000 ny lehilahy mirongo fiadiana isan-karazany.


Dia nametrahany governora tao Edôma, ka tonga olom-pehezin’i Davida ny Edômita rehetra; ary nampandresy an’i Davida tamin’izay fanafihany rehetra ny TOMPO.


I Jôaba zanakalahin’i Tseroià, no lehiben’ny tafika; i Jôsafata zanakalahin’i Ahiloda, no mpitondra tenin’ny mpanjaka,


Nanjaka tamin’i Israely manontolo i Davida zanakalahin’i Jisay.


Tao amin’ny tahirin-kiran’i Salômôna. Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka izany fahaizanao mitsara; omeo ity taranak’andriana izany fitandroanao ny rariny.


Anao ny hery tsy hay tohaina; azo antoka ny fifehezanao, tsy refesi-mandidy ny fahefànao.


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany.


Amin’izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an’i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra