Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 14:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miaingà amin’izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Andriamanitra mba handresy ny tafiky ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Rehefa mandre fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia miaingà amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miaingà amin’izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Andriamanitra mba handresy ny tafiky ny Filistinina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ka rehefa mandre fingodongodon’olona any an-tendron’ny balsamie ianao, miroata hiady amin’izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistinina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary raha toa mahare fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balsama hianao, dia miaingà amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Rehefa mandre fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balisama ianao dia miaingà amin’izay hiady; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 14:15
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanontany ny TOMPO indray i Davida ka novaliany hoe: –Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy, dia hanatona azy avy eo amin’ny tandrifin’ny foto-boaroihazo ianao.


Fa indro Aho hanoro hevitra azy hiverina any amin’ny taniny, rehefa handre siosio izy; ary any no hampamonoako azy ho fatin’ny sabatra.»


Ny tobin’ny Sirianina manko efa nampandrenesan’ny Tompo firohondrohon-kalesy sy firiotran-tsoavaly ary firodorodon-tafika goavana. Dia nifampiresaka ny Sirianina nanao hoe: «Efa nokaramain’ny mpanjakan’i Israely ireo mpanjaka hetita sy ejiptianina mba hiady amintsika!»


Dia mbola nanontany an’Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe: –Aza miakatra hanenjika azy; fa mivilia lavidavitra azy, dia manatòna azy avy eo amin’ny tandrifin’ny foto-boaroihazo.


Dia nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina hatreo Gibehôna ka hatrany Gezera.


Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.


«Izay sisa velona aminareo, any amin’ny tanin’ny fahavalony any, dia hampidirako fahareraham-po ka na ny fipikan’ny ravinkazo anankiray paohin-drivotra aza dia hampandositra azy; handositra ireo toy ny mandositra fahavalo mitan-tsabatra, ary ho lavo ireo na dia tsy misy mpanenjika aza.


Ary nisy feo avy tany an-danitra tonga tampoka tahaka ny rivo-mahery mifofofofo ka nanenika ny trano nitoerany.


Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.»


Ary hoy i Debôrà tamin’i Baràka: –Andao amin’izay fa anio no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao! Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabôra i Baràka narahin’ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo.


Rehefa avy nandre ny fitantarana ny nofy sy ny heviny teo i Gidehôna, dia niankohoka hisaotra an’Andriamanitra. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israelita izy ka niantso hoe: –Mitsangàna ianareo fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny tobin’ny Midianita.


Tamin’io alina io dia hoy ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Mitsangàna ka midîna ao an-tobin’ny Midianita, fa efa natolotro eo an-tananao io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra