Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nehemia 1:2 - Baiboly Protestanta Malagasy

2 dia tonga Hanany, anankiray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin’ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin’ny fahababoana, ary ny amin’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 dia tonga i Hanany, iray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Joda. Nanontaniako azy ny amin’ny Jiosy izay sisa afaka tamin’ny fahababoana sy ny amin’i Jerosalema,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 dia tonga avy any Joda i Hanany, anankiray amin’ireo rahalahiko, miaraka amina lehilahy vitsivitsy. Nanontaniako azy ny amin’ny Jiosy efa afaka, izany hoe tafaverina avy any an-tsesitany, ary ny amin’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 dia tonga avy any Joda i Hanany, anankiray amin’ireo rahalahiko, miaraka amina lehilahy vitsivitsy. Nanontaniako azy ny amin’ny Jiosy efa afaka, izany hoe tafaverina avy any an-tsesitany, ary ny amin’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 dia inty tonga i Hananì, anankiray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Jodà. Nanontaniako izy ireo, ny amin’ny Jody efa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, sy ny amin’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 dia tonga Hanany, anankiray amin'ny rahalahiko, mbamin'ny lehilahy sasany avy tany Joda; ary nanontaniako azy ny amin'ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin'ny fahababoana, ary ny amin'i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Nehemia 1:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny lohasahan’i Sidima, dia be lavak’asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.


Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.


Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanimboaloboka sy ho mpiasa tany.


fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?


dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben’ny tao an-dapa, hitandrina an’i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro.


Ary ny sisa amin’ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin’ny tanin’ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.


Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, Rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, Sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, Ary haharikoriko azy ny tenany Noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;


Ary na dia misy afa-mandositra aza, Dia ho eny an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra