Ary nony tamin’ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ny andro faharoa-polo tamin’ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
Ary niakatra koa ny sasany amin’ny Zanak’Isiraely sy ny sasany amin’ny mpisorona mbamin’ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy mpanjaka.
ARY noho izany rehetra izany dia manao fanekena mafy izahay, ka soratanay izany ary manisy tombo-kase eo aminy ny mpanapaka anay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.
ARY tamin’ny volana Nisana tamin’ny taona faharoa-polo nanjakan’i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany.
Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan’ny tenin’ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
Ary nahita tamin’ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ny lapan’ny mpanjaka izay ao amin’ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ny fahitana aho, ka teo amoron’ny ony Olay aho.