Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 3:4 - Baiboly Protestanta Malagasy

4 (kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny làlana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao làlana izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Kanefa asio elanelany tokony ho roa arivo hakiho aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy, mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Izany no hahafantaranareo ny lalana halehanareo satria tsy mbola nandalovanareo mihitsy io lalana io talohan’izao. Kanefa aza manatona akaikin’ny Vatamasina ianareo fa aoka hisy tokony ho iray kilaometatra ny elanelanareo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Izany no hahafantaranareo ny lalana halehanareo satria tsy mbola nandalovanareo mihitsy io lalana io talohan’izao. Kanefa aza manatona akaikin’ny Vatamasina ianareo fa aoka hisy tokony ho iray kilaometatra ny elanelanareo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Asio elanelany sahabo ho arivo hakiho anefa aminareo sy izy, mba hahitanareo ny lalana hombanareo, fa lalana mbola tsy nalehanareo na oviana na oviana izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 (kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 3:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan’i Jakoba ny tarehin’i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.


Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia hianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary hianao no ho mpanapaka azy.


Iza no lehilahy matahotra an’i Jehovah? Izy no hampianariny izay làlana tokony hofidiny.


Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ny fiangonan’ny olo-masiny Ary hajain’izay rehetra manodidina Azy?


Dia hanisy fefy manodidina ho an’ny olona hianao ka hanao hoe: Mitandrema hianareo mba tsy hiakatra ao amin’ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;


Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin’ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.


Ary hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.


Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an’ny mpanjaka izany; Efa nataony lalina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain’i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.


Izao no lazain’i Jehovah, Mpanavotra anao, Dia ny Iray Masin’ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, No nampianatra anao hahita soa Sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.


ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran’ny faneken’i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin’ izay itoeranareo, ka manaraha azy


Ary hoy Josoa tamin’ny olona: Manamasìna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra