Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 3:5 - Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary hoy Josoa tamin’ny olona: Manamasìna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary hoy i Josoa tamin’ny olona: Manamasìna ny tenanareo fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Ary hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: –Diovy ny tenanareo fa rahampitso dia hanao zava-mahagaga eo anivonareo ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ary hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: –Diovy ny tenanareo fa rahampitso dia hanao zava-mahagaga eo anivonareo ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ary hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Hamasino ny tenanareo, fa hanao fahagagana eo afovoanareo i Iaveh rahampitso.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary hoy Josoa tamin'ny olona: Manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 3:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo, dia naniraka Joba ka nanamasina ireny, ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva.


Navotan’ny sandrinao ny olonao, Dia ny taranak’i Jakoba sy Josefa. [Sela.]


Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.


Angòny ny vahoaka, Manamasìna fiangonana, Vorio ny loholona, Angòny ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, Ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.


Dia hoy Mosesy tamin’i Arona: Izany dia ilay nolazain’i Jehovah hoe: Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan’ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.


Dia manamasìna ny tenanareo hianareo, ka aoka ho masina hianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.


Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin’ny fikosoham-bary na tamin’ny laona, ary nahandro azy tamin’ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.


Ary ho an’ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy.


ary raha vao mijanona eo amin’ny rano Jordana ny faladian’ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.


ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin’ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),


(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny làlana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao làlana izao.


Ary niteny tamin’ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran’ny fanekena, ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny fiaran’ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan’ny olona.


Mitsangàna, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely ô; koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalonao hianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.


Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ny fanatitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra