Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 1:7 - Baiboly Protestanta Malagasy

7 Koa mahereza sy matanjaha tsara hianao, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba hambinina hianao amin’izay rehetra alehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanatanteraka araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hambinina ianao amin’izay rehetra alehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa matanjaha kosa ary mahereza fo tokoa, sady mitandrema tsara mba hanao araka ny lalàna rehetra nandidian’i Môizy mpanompoko anao. Aza mivily amin’izay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hahomby ianao amin’izay rehetra hataonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanatanteraka araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, mba hambinina ianao amin’izay rehetra alehanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 1:7
25 Rohy Ifampitohizana  

Izaho efa handeha amin’ny làlan-kalehan’ny tany rehetra; koa mahereza hianao, ary misehoa ho lehilahy.


Ary tandremo izay asain’i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin’ny làlany, hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,


Ary nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin’izay rehetra nalehan’i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.


Ary amin’izany dia hambinina hianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ho an’ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.


Koa mahereza hianareo, fa aza miraviravy tànana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.


Ary nitady an’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an’Andriamanitra; ary tamin’ny andro nitadiavany an’i Jehovah dia nambinin’Andriamanitra izy.


Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.


Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, ampodio izahay, Ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.


Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; Esory amin’ny ratsy ny tongotrao.


Amin’ny alehan’ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ny làlan’ny fitsarana marina,


ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny hianao tompoko, satria efa nampahery ahy.


ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy.


Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery hianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;


Ary aza miala amin’ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.


Dia tandremo ny tenin’izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina hianareo amin’izay rehetra ataonareo.


Hianareo rehetra miseho eto anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo anio–dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan’ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely,


Ary Mosesy niantso an’i Josoa ka niteny taminy teo imason’ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa hianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razany homena azy; ary hianao no hampandova azy izany.


Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.


ARY rehefa maty Mosesy, mpanompon’i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin’i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’i Mosesy:


Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao hianao sady hambinina.


Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.


Araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy mpanompony no nandidian’i Mosesy an’i Josoa; ka dia izany no nataon’i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.


Dia mahereza tsara hianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny làlan’i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra