Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 5:10 - Baiboly Katolika

10 Dia niditra nilaza izany rehetra izany tamin-drainy i Tobia. Gaga terỳ rainy, sady nasainy nampandrosoina razazalahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia nivoaka ny trano i Tôbià ary niantso an’i Rafaela sy niteny taminy hoe: –Antsoin-draiko ianao, ry sakaiza. Dia niditra tao an-trano ilay anjely; ary i Tôbita no niarahaba azy voalohany, ka novaliany hoe: –Mirary fanambinana betsaka ho anao aho! Dia niteny indray i Tôbita ka nanao tamin’ilay anjely hoe: –Fanambinana inona moa no mbola mety hananako? Tsy afa-mahita mihitsy ny masoko. Tsy hitako intsony ny hazavàn’ny habakabaka; ao anatin’ny haizina no itoerako, tahaka ny maty izay tsy mibanjina intsony ny hazavana. Mbola velona aina aho, saingy efa eo anivon’ny maty. Reko feo ny olona fa tsy mahita azy aho. Hoy kosa ilay anjely tamin’i Tôbita: –Mahereza! Tsy ho ela, dia hositranin’Andriamanitra ianao. Mahereza! Dia i Tôbita ihany no nanao tamin’ilay anjely hoe: –I Tôbià zanako dia mikasa hankany Media. Koa afaka ny miara-dia aminy sy mitari-dalana azy ve ianao? Homeko ny karamanao ianao, rahavako. Ary novalian’ilay anjely hoe: –Afaka miara-dia aminy aho, sady fantatro ny lalana rehetra satria imbetsaka aho no efa nandeha tany Media; efa noteteziko avokoa ny lemaka sy tendrombohitra ao aminy, ka fantatro tokoa ny lalana rehetra ao.

Jereo ny toko dika mitovy




Tôbita 5:10
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra