Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno Tôbita 3:10 - Baiboly Katolika10 tadiavinao hovonoina aho toy ny namonoanao azy fito lahy vadinao.» Raha nandre izany teny izany i Sarà dia niakatra tany amin’ny efitranon’ny tranony ambony rihana, ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Nalahelo fatratra i Sarà tamin’io andro io, rehefa nandre izany teny izany; ka sady nitomany izy no niakatra nankao amin’ilay efitrano ambony rihana tamin’ny tranon-drainy ary nikasa hananton-tena. Kanefa nandinika izy ary niteny anakampo hoe: «Tsy hotevatevain’ny olona ve ny raiko ka hilazany hoe: ‹Zanakavavy tokana nankamamîna no mba nanananao, kanefa dia nananton-tena noho ny fahoriana nanjo azy!› Ny alahelo hianjady amin’ilay raiko efa antitra dia hampidina azy any am-pasana. Toy izay aho hanaton-tena, dia tsara kokoa amiko ny mitalaho amin’ny Tompo mba hamela ahy ho faty; ary dia tsy handre fanevatevana toy ny amin’izao androm-piainako izao intsony aho.» Jereo ny toko |