Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Romana 4:6 - Baiboly Katolika

6 Izany no ilazan’i Davida ny hasambaran’ny olona itanan’Andriamanitra fahamarinana tsy aman’asa hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Izany no ilazan’i Davida ny fahasambaran’ny olona izay isain’Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ny asa:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Toy izany no ilazan’i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran’Andriamanitra azy ho marina:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Toy izany no ilazan’i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran’Andriamanitra azy ho marina:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia araka izany koa no ilazan’i Davida fa sambatra ny olona izay isain’Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ny asa, hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 4:6
31 Rohy Ifampitohizana  

Aleloia! Sambatra ny olona matahotra an’i Iaveh, izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin’ny fitandremana ny didiny.


Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -


Satria izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà: «Tahaka an’i Galaada ianao amiko, tahaka ny tampon’i Libàna, nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.


Amin’izany andro izany i Jodà hovonjena; ary i Jerosalema handry feizay, ka hantsoina hoe: «Iaveh-fahamarinantsika».


Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.


Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: «Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.»


Koa aiza àry no hireharehana? Efa nofoanana izany; fa tamin’ny lalàna inona? Tamin’ny lalàn’ny asa va? Tsia, fa tamin’ny lalàn’ny finoana;


Fa famantarana ny famorana, ka dia noraisiny tatỳ aoriana, mba ho tombokasen’ny fahamarinana azony noho ny finoana, fony izy mbola tsy voafora, mba ho rain’ny mpino rehetra izy, na dia ny tsy voafora aza, ka dia hotanana ho azy ireny koa ny fahamarinana;


fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an’Ilay nanangan-ko velona an’i Jesoa Kristy Tompontsika,


ary amin’izay tsy miasa, fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.


Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany;


Ary izany hasambarana izany ve, an’ny voafora ihany, sa an’ny tsy voafora koa?


Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.


Koa lasa nankaiza àry ilay fankamamianareo ahy nahasambatra anareo? Fa izaho no vavolombelonareo fa raha azo natao, na dia ny masonareo aza, dia ho nombotanareo homena ahy fahizany.


Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,


Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao! Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh, izay ampingan’ny famonjena anao, sabatry ny voninahitrao. Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao, fa ianao kosa handia ny havoany».


mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;


izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa, talohan’ny taona rehetra,


Hamaly koa ny olona hanao hoe: Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako.


I Simôna Piera, mpanompo sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy, mamangy an’izay nahazo ny finoana sarobidy toa anay, noho ny fahamarinan’i Jesoa Kristy Andriamanitra Mpamonjy antsika:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra