Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Romana 16:2 - Baiboly Katolika

2 mba handraisanareo azy tsara ao amin’ny Tompo, araka ny mendrika ny olo-masina, sy hanampianareo azy amin’izay rehetra ilàny anareo, araka ny nanampiany olona maro, hatramin’ny tenako aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 mba horaisinareo ao amin’ny Tompo izy, araka izay mendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilàny anareo, fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako koa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Noho ianareo tafaray amin’ny Tompo, dia raiso tsara izy araka izay mendrika ny samy vahoakan’Andriamanitra, ary ampio amin’izay raharaha ilàny anareo; fa izy rahateo dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako manokana aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Noho ianareo tafaray amin’ny Tompo, dia raiso tsara izy araka izay mendrika ny samy vahoakan’Andriamanitra, ary ampio amin’izay raharaha ilàny anareo; fa izy rahateo dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako manokana aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 mba horaisinareo ao amin’ny Tompo izy, toy izay mendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilany anareo: fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 mba horaisinareo ao amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 16:2
25 Rohy Ifampitohizana  

Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.


Ary i Anania namaly hoe: «Tompoko, reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io tamin’ny olonao masina tao Jerosalema;


Fa hoy ny Tompo taminy: «Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;


Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.


Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin’ny efitra ambony, ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.


Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.


Koa mifandraisa ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo mba ho voninahitr’Andriamanitra.


Veloma any amin’i Filologo sy i Jolia, ary i Nerea mianadahy, sy i Olimpià, mbamin’ny olo-masina rehetra ao aminy.


Manao veloma anareo i Gaiosy, ilay itoeranay, mbamin’ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosy havantsika.


Veloma any amin’i Maria, izay niasa mafy ho anareo.


Veloma any amin’i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy, sy i Stakisa malalako.


Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rehefa mety ho fahalotoana amam-pilàn-dratsin’ny nofo,


Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,


Raiso an-kafaliana ao amin’ny Tompo àry izy; ary hajao ny olona toy izany;


Manao veloma anareo i Aristarka, mpiara-mifatotra amiko, sy i Marka, zanak’anabavin’i Barnabe (efa nahazo didy ny amin’izany ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo).


fa asa soa araka ny mety amin’ny vehivavy mpivavaka.


ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ny Tompo amin’izay andro izay, ary ianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy.


amin’ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,


Ampodiko atỳ aminao izy, ilay sombin’ny aiko.


Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy;


Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mitondra izao fampianarana izao, dia aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra