Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 32:37 - Baiboly Katolika

37 Ny zana-dRobena nanorina an’i Hesebona, i Eleale, i Kaariataïma,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Ny taranak’i Robena dia nanorina an’i Hesbona, i Elale, i Kiriataima,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

37 Fa ny taranak’i Reobena kosa nanangana indray ireto tanàna ireto, dia i Hesbôna sy i Elehale, i Kiriataîma,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Fa ny taranak’i Reobena kosa nanangana indray ireto tanàna ireto, dia i Hesbôna sy i Elehale, i Kiriataîma,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Ary ny taranak’i Robena nanao an’i Hesbona sy Elale sy Kiriataima

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Ny taranak’i Robena dia nanorina an’i Hesbona, i Elale, i Kiriataima,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 32:37
10 Rohy Ifampitohizana  

Nony tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo anefa, niainga i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarôta-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin’ny tany lemak’i Kariataima;


Mibadabada i Hesebona sy i Eleale; re hatrany Jahasy ny feony. Noho izany midradradradra ny mpiadin’i Moaba, mangovitra ny fanahin’izy io.


An’i Moaba. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Loza ho an’i Nabô, fa rava; safo-kenatra i Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;


Noho ny antsoantson’i Hesebona re hatrany Eleale; hatrany Jasà, dia mandefa ny antsoantsony izy ireo; hatrany Segôra ka hatrany Hôrônaima, hatrany Eglata-Selisia, fa mbamin’ny ranon’i Nemrima aza no ho tankina.


noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan’i Moaba, hatrany amin’ny tanàna, hatrany amin’ny tanànany, hatrany amin’ny faritry ny taniny, tabihan’ny tany, i Betjesimôta, i Beelmeôna, i Kariataìna.


Izany no nanaovan’ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona ianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan’i Sehôna.


«I Atarôta, i Dibôna, i Jazera, i Nemrà, i Hesebona, i Eleale, i Nebô ary i Beôna,


i Betnemrà ary i Betaràna, tanàna mimanda, ary nanao vala ho an’ny biby fiompy.


I Nebô ary i Baalmeôna izay samy novany anarana ary i Sabamà, ka samy nomeny ny anarana ny tanàna naoriny.


Kariataima, Sabamà, Sarat-Asara amin’ny tendrombohitra ao an-dohasaha,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra