Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 31:4 - Baiboly Katolika

4 Mandefasa arivo lahy isam-pokony avy ho any an-tafika ianareo, avy amin’ny fokon’i Israely rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Arivo lahy avy isam-poko amin’ny fokon’ny Israely no halefanareo hanafika.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Mpiady arivo lahy isam-poko no halefanareo hiantafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Mpiady arivo lahy isam-poko no halefanareo hiantafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Arivo lahy avy isam-pirenena amin’ny firenen’Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Arivo lahy avy isam-poko amin’ny fokon’ny Israely no halefanareo hanafika.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 31:4
5 Rohy Ifampitohizana  

Dimy aminareo no hanenjika zato, ary zato aminareo no hanenjika iray alina; ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ny fahavalonareo.


Dia niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an’i Madiàna izy, mba hahatanteraka ny famalian’i Iaveh an’i Madiàna.


Koa nakana arivo lahy isam-pokony ny isan’arivon’i Israely, dia lehilahy roa arivo sy iray alina voaoman-kiady.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Maro loatra ity vahoaka miaraka aminao, ka tsy hanolotra an’i Madiàna ho eo an-tanany Aho, fandrao hireharehan’i Israely amiko izany hataony hoe: Ny tanako ihany no nanafaka ahy.


Dia hoy i Jônatsy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiany: «Andeha isika ho any amin’ny antoko-miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba hiasa hanampy antsika i Iaveh, satria tsy misy mahasakana an’i Iaveh tsy hamonjy, na amin’ny maro na amin’ny vitsy».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra