Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 29:29 - Baiboly Katolika

29 Amin’ny andro fahenina, manatera vantotr’ombalahy valo, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Amin’ny andro fahenina dia vantotra ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary amin’ny andro fahenina koa dia vantotr’ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra ambin’ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary amin'ny andro fahenina koa dia vantotr'ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Amin’ny andro fahenina dia vantotra ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 29:29
4 Rohy Ifampitohizana  

Izy ihany no nanome, avy amin’ny fananany, izay anjaran’ny mpanjaka, amin’ny sorona dorana, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva, sy ny sorona dorana amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fety, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh.


Fa ny mpanapaka kosa no hiantoka ny sorona dorana, ny fanatitra, ary ny fanatitra araraka, amin’ny fety sy ny voaloham-bolana aman-tsabata, amin’ny fety lehibe rehetra ankalazain’ny taranak’i Israely; izy no hamonona ny ilaina hatao sorona noho ny ota, na fanatitra, na sorona dorana, na sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho an’ny taranak’i Israely.


Osy lahy iray no ho sorona noho ny ota, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy.


mbamin’ny fanatitra momba azy sy ny fanatitra araraka momba azy, amin’ny ombalahy sy ny ondralahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, manaraka ny fitsipika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra