Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 14:40 - Baiboly Katolika

40 Nifoha maraina koa izy ireo, dia niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra, ka nanao hoe: «Indreto izahay hiakatra any amin’ny fitoerana voalazan’i Iaveh, fa efa nanota izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Ary nifoha vao maraina izy dia niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra ka niteny hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO, fa efa nanota izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

40 Ny ampitso vao maraina, dia niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo sady nanao hoe: –Tena nanota tokoa izahay, fa izao kosa dia vonona hiakatra hankany amin’ny toerana voatondron’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Ny ampitso vao maraina, dia niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo sady nanao hoe: –Tena nanota tokoa izahay, fa izao kosa dia vonona hiakatra hankany amin’ny toerana voatondron’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ny tany izay nolazain’i Jehovah, fa efa nanota izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

40 Ary nifoha vao maraina izy dia niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra ka niteny hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO, fa efa nanota izahay!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:40
8 Rohy Ifampitohizana  

Zavatra ratsy anankiray amin’izay rehetra atao atỳ ambany masoandro dia ny itovian’ny olombelona rehetra anjara; ka noho izany dia feno hasomparana ny fon’ny zanak’olombelona. ary ao am-pony mandritra ny andro iainana, ny hadalana. Nony afaka izany, mankany amin’ny maty izy.


Fa na tompon-tany na vahiny, ka sahy manao fanahy iniana kosa, dia olona maniratsira an’i Iaveh izany, ka hoesorina eo amin’ny fireneny.


Ary hoy i Balaama tamin’ny Anjelin’i Iaveh: «Efa nanota aho, fa tsy fantatro hoe teo anoloako ianao, ary ankehitriny raha tsy sitrakao izao, dia hody aho.»


Satria rehefa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hovaliany hoe: Tsy fantatro izay niavianareo


Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin’i Iaveh izahay! Koa hiakatra ihany izahay, dia hiady araka izay rehetra efa nandidian’i Iaveh Andriamanitsika antsika. Dia samy namehy fiadiana teny am-balahana ianareo tsirairay avy, ka nioman-kananika ny tendrombohitra tsy amim-piheverana akory.


Nilaza taminareo aho; fa tsy nohenoinareo, notsipahinareo ny tenin’i Iaveh, be hambo loatra ianareo ka niakatra ny tendrombohitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra