Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 14:40 - DIEM PROTESTANTA

40 Ny ampitso vao maraina, dia niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo sady nanao hoe: –Tena nanota tokoa izahay, fa izao kosa dia vonona hiakatra hankany amin’ny toerana voatondron’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Ary nifoha vao maraina izy dia niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra ka niteny hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO, fa efa nanota izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Ny ampitso vao maraina, dia niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo sady nanao hoe: –Tena nanota tokoa izahay, fa izao kosa dia vonona hiakatra hankany amin’ny toerana voatondron’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 Nifoha maraina koa izy ireo, dia niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra, ka nanao hoe: «Indreto izahay hiakatra any amin’ny fitoerana voalazan’i Iaveh, fa efa nanota izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin’ny tany izay nolazain’i Jehovah, fa efa nanota izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:40
8 Rohy Ifampitohizana  

Mitovy avokoa ny manjo ny olona rehetra: io no loza amin’izay rehetra atao eto ambonin’ny tany. Feno faharatsiana ny fon’ny olona ka fahadalana no ao aminy mandritra ny fiainany; avy eo anefa dia ho any amin’ny maty no hiafarany.


«Fa raha Israelita na vahiny kosa no manao fanahy iniana manota ka manamavo Ahy TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoakako izy.


Dia hoy i Balahama tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Nanota aho satria tsy nahafantatra fa ianao no nisakan-dalana ahy. Koa ankehitriny raha tsy tianao ny hankanesako any, dia hiverina hody aho.


Rehefa nitsangana nanidy varavarana ny tompon-trano no ianareo mbola any alatrano, dia handondòm-baravarana ianareo hanao hoe: «Mba vohay izahay, tompoko ô!» Fa hovaliany hoe: «Tsy fantatro izay fiavianareo.»


Ho setrin’izany kosa dia hoy ianareo tamiko: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay! Hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO Andriamanitray anay.» Dia samy nivonona tamin’ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho mora ny hananika izany faritra havoana izany.


Dia niteny taminareo aho fa tsy nohenoinareo; nolavinareo ny tenin’ny TOMPO, ary nanao sahisahy ianareo ka nananika iny faritra havoana iny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra