Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nahoma 3:3 - Baiboly Katolika

3 Mpitaingin-tsoavaly miezaka, sabatra mamirapiratra, lefona manjelatra, olo-maratra sesehena, maty miavosa, faty tsy hita isa... Voafingampingan’ny faty ny olona!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 E! Ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fitselatry ny sabatra sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan’ny voatrabaka sy ny hamaroan’ny voavono! Tsy hita isa ny faty! Eny, voafingampingan’ny faty ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 He, miantsambotra ny mpitaingin-tsoavaly, mamirapiratra ny sabatra, manjelanjelatra ny lefona! Betsaka ny maratra! Fatin’olona no miampatrampatra tsy hita isa sy mamingana hatraiza hatraiza!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 He, miantsambotra ny mpitaingin-tsoavaly, mamirapiratra ny sabatra, manjelanjelatra ny lefona! Betsaka ny maratra! Fatin’olona no miampatrampatra tsy hita isa sy mamingana hatraiza hatraiza!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan’ny voatrabaka sy ny hamaroan’ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan’ny faty ny olona,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabaka sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan'ny faty ny olona,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 E! Ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fitselatry ny sabatra sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan’ny voatrabaka sy ny hamaroan’ny voavono! Tsy hita isa ny faty! Eny, voafingampingan’ny faty ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nahoma 3:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.


Ny alin’izay ihany, dia nivoaka ilay Anjelin’Andriamanitra namono lehilahy 185.000 tao amin’ny tobin’ny Asirianina, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.


Ny maty amin’izy ireo hariana, ny fatiny hitera-pofona maimbo, ary hiempo azon’ny rany ny tendrombohitra.


Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.


Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak’i Iaveh.


Hitsingidina eny an-tendrombohitr’i Israely ianao, dia ianao sy ny antoko-miaramila rehetra, mbamin’ireo firenena hiaraka aminao; ny vorona mpihaza, ny vorona isan-karazany, mbamin’ny bibin’ny tany no hanolorako anao mba hohaniny.


Hifampigona toy ny enjehin-tsabatra izy, nefa tsy iza tsy iza manenjika azy eo; ka dia tsy hahatoha ny fahavalonareo ianareo.


Voaloko mena ny ampingan’ny mpiadiny, miakanjo mena mangatrakatraka ny miaramilany: mitranga ny kalesiny ao anatin’ny vy manjelanjelatra, amin’ny andro iomanany hiady, ary ny lefony mandihindihy.


Tafajanona eo amin’ny fitoerany ny masoandro amam-bolana; ka ny fanjelajelatry ny zana-tsipìkanao no andehanan’ny olona, sy ny fahazavan’ny lefonao mamirapiratra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra