28 Tsy nisy olon-kamonjy azy, fa lavitra an’i Sidona izy, ary ny mponina tao tsy nanan-draharaha tamin’ny olon-kafa; tao amin’ny lohasaha mandroso mankany Bety-Rohôna no nisy azy. Naorin’ny taranak’i Dana ny tanàna, dia nonina teo izy,
28 I Laîsy dia tao amin’ny lohasahan’i Bety-Rehôba, ka lavitra an’i Tsidôna ary tsy niankina tamin’i Arama. Noho izany tsy nisy olona tonga namonjy azy. Dia namboarin’ny Danita ny tanàna, ka nonenany.
28 I Laîsy dia tao amin’ny lohasahan’i Bety-Rehôba, ka lavitra an’i Tsidôna ary tsy niankina tamin’i Arama. Noho izany tsy nisy olona tonga namonjy azy. Dia namboarin’ny Danita ny tanàna, ka nonenany.
Fantatry ny taranak’i Amôna, fa hankahalan’i Davida azy ny nataony ka ny taranak’i Amôna dia naniraka olona haka miaramila hokaramaina avy amin’ny Sirianina any Beta-Rohoba sy amin’ny Sirianina any Sobà, dia miaramila an-tongotra 20.000, ary any amin’ny mpanjakan’i Maakà koa 2.000 lahy, ary any olona ao Tôba 12.000 lahy.
Ary hoy izy: «Tsy hanao fifaliana intsony ianao, ry virjiny afa-baraka, zanaka vavin’i Sidona! Mitsangàna, mità ho any Setima; na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.
Aoka ho safotry ny henatra ianao, ry Sidona, fa efa niteny ny ranomasina, ny trano mimanda eo amin’ny ranomasina, nanao hoe: «Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka, tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.»
Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely izy ireo, ka nasiany sy nenjehiny hatrany Sidona lehibe sy hatrany amin’ny lohasahan’i Masfà any atsinanana; nasiany ireny ka tsy navelany hisy afa-nandositra na dia iray aza.
Nony nandeha izy dimy lahy, ka tonga tany Laïsa dia hitan’izy ireo ny mponina tao amin’izany tanàna izany fa nonina tsy amin’ahiahy, manaraka ny fomban’ny Sidonianina, nandry fahizay tamim-piadanana, ary tsy nisy olona tamin’ny taniny nanam-pahefana nampahory azy, na tamin’inona na tamin’inona; lavitra ny Sidonianina izy, ary tsy nanan-draharaha na tamin’iza na tamin’iza.