Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:24 - Baiboly Katolika

24 Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, hany ka safotry ny alondrano ny sambokely; nefa Izy natory.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin’ny farihin’i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin’ny farihin’i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Ary indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, hany ka safotry ny alondrano ny sambokely; nefa Izy natory.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:24
13 Rohy Ifampitohizana  

Ry Ikala ory, afotofoton’ny tafio-drivotra, tsy manam-piononana ô; indro Aho handatsaka ny vatonao amin’ny antimoanina, sy hanorina anao eo ambonin’ny safira;


Nahita anao ny tendrombohitra ka mangovitra, nisy rambon-danitra nandalo, niloa-peo ny hantsana sady nanangan-tanana mankany ambony.


Ary niondrana tamin’ny sambo kely Izy ka narahin’ny mpianany.


Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: «Tompoko, vonjeo izahay fa maty.»


Teny am-pandehanan’ny sambo dia natory Izy; kanjo nasian’ny tafio-drivotra kosa ny farihy, ka nihafeno rano ny sambo ary efa am-bava loza izy ireo.


ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao, mba hinoanareo; koa andeha isika hankany aminy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra