Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 8:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin’ny farihin’i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, hany ka safotry ny alondrano ny sambokely; nefa Izy natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin’ny farihin’i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin’ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:24
13 Rohy Ifampitohizana  

Ry ilay Jerosalema ory ô, nasafotofoton’ny tafio-drivotra ianao saingy tsy nisy olona nampahery! Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao: «Indro Aho hanangana anao amin’ny vato miloko, ary hamboatra ny fanorenanao amin’ny vato safira.


Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra; mandrotsaka orambe ny rahona, mirohondrohona ny ranomasimbe ka manainga onja hatreny amin’ny lanitra.


Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan’ireo mpianany.


Dia nohatonin’ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe: –Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!


Teny am-pandehanana, dia azon’ny torimaso i Jesoa. Ary nisy tafio-drivotra niantonta teo amin’ny farihy ka nila ho feno rano ny sambokely ary efa am-bava loza izy ireo.


Ary noho ianareo, dia faly Aho tsy teo aminy, mba hinoanareo. Koa ndeha isika hankany amin’i Lazara!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra