Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 14:5 - Baiboly Katolika

5 Nitady hamono azy i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Koa naniry hamono azy i Heroda, saingy natahotra ny vahoaka izy satria nataon’ireo ho mpaminany i Jaona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Dia nifofo ny ain’i Jôhany i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka jiosy, satria noheverin-dry zareo ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia nifofo ny ain’i Jôhany i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka jiosy, satria noheverin-dry zareo ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon’ireo ho mpaminany Jaona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Koa naniry hamono azy i Heroda, saingy natahotra ny vahoaka izy satria nataon’ireo ho mpaminany i Jaona.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 14:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Nandre ny teniny i Jôakima mpanjaka, mbamin’ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany i Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta.


Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.


«Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.»


«Fa tonga teto aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.»


Ary raha ataontsika hoe, avy amin’ny olona indray, dia hitora-bato antsika ny vahoaka, satria inoany ho mpaminany i Joany.»


Tamin’izay, norahonany indray izy ireo, dia nalefany; fa tsy hitany izay hamaizany azy noho ny tahony ny vahoaka, izay efa nankalaza an’Andriamanitra daholo noho ny zavatra vao niseho teo,


Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao torahan’ny vahoaka vato.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra