Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 6:7 - Baiboly Katolika

7 Izao no lalàna momba ny fanatitra: Hatolotr’ireo zanak’i Aarôna eo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry: Ireo zanak’i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 «Izao no lalàna momba ny fanatitra vokatry ny tany: «Ireo zanakalahin’i Aharôna no hanolotra azy eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 «Izao no lalàna momba ny fanatitra vokatry ny tany: «Ireo zanakalahin’i Aharôna no hanolotra azy eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary izao no lalàna ny amin’ny fanatitra hohanina: Ireo zanak’i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry: Ireo zanak’i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 6:7
22 Rohy Ifampitohizana  

mitahiry ny fitiany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra.»


Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.


ary raha misy ratsy fanahy miala amin’ny haratsiany, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny, dia velona izy noho izany.


«Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.


Toy ny anaovana ny ombalahy natao sorona noho ny ota no hanaovany izany ombalahy izany; toy izany no hanaovany azy; dia izany no hahavitan’ny mpisorona fanonerana ho azy ireo; ka ho voavela ny helony.


Raha efa izany, hodorany daholo eo ambonin’ny ôtely ny sabora, toy ny fandoroany ny sabora amin’ny sorom-pihavanana. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ny fahotana ho azy, dia ho voavela ny otany.


Halàny daholo ny sabora, toy ny fanalana ny sabora amin’ny sorom-pihavanana ka hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ny fanonerana ho an’izany olona izany, dia ho voavela ny otany.


Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ho an’izany olona izany, ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany.


Toy izany no hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho an’izany olona izany, noho ny ota nataony amin’ny iray amin’ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an’ny mpisorona, toy ny amin’ny fanatitra.


Ka ondralahy iray, tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny izay hotombananao, no hoentiny ho eo amin’ny mpisorona hatao sorona fanonerana ho azy noho ny ota nataony tsy nahy, fa tsy fantany, dia ho voavela ny otany.


Dia hangalan’ny mpisorona eran-tanana ila ny lafarina tsara indrindra mbamin’ny diloilo ao aminy miaraka amin’ny emboka rehetra eo ambonin’ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely izany ho hanitra ankasitrahina, ho fahatsiarovana an’i Iaveh.


Ao amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin’ny ôtely ny rany.


Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.


«Noho izany, izao no lazaiko aminareo: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.


Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.


Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra