Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 27:33 - Baiboly Katolika

33 Tsy azo ifidianana izay tsara na ratsy izany, ary tsy azo takalozana koa; fa raha takalozana dia ho samy zava-masina avokoa, na ny biby natakalo, na izay natakalo azy, sady samy tsy ho azo avotana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Tsy hojerena na tsara na ratsy izany ary tsy hatakalo; fa raha misy biby atakalo dia samy ho masina avokoa na ilay atakalo na ny takalony ka tsy misy azo avotana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

33 Tsy ijerena ny tsara na ratsy izany sady tsy azo atakalo; kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa ka samy tsy misy azo avotana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Tsy ijerena ny tsara na ratsy izany sady tsy azo atakalo; kanefa raha sendra misy biby anankiray natakalo biby hafa, dia samy ho voatokana ho an’Andriamanitra izy roroa ka samy tsy misy azo avotana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Tsy hizaha ny tsara na ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:33
2 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hosoloana izany, ny ratsy tsy hasolo ny tsara, ny tsara tsy hasolo ny ratsy; ary raha soloina biby anankiray ny biby anankiray hafa, dia ho samy zava-masina izy roaroa.


Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: «Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran’ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra