Levitikosy 14:13 - Baiboly Katolika13 Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona noho ny ota, sy ny sorona dorana, no hamonoany ny zanak’ondry, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa amin’ny sorona fanonerana, dia an’ny mpisorona, toy ny amin’ny sorona noho ny ota, ny zavatra atao sorona: zava-masina dia masina izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Ary hamono ilay zanak’ondrilahy eo amin’ny famonoana ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo izy, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa ho an’ny mpisorona ny fanatitra fanadiovana, toy ny fanati-panonerana. Zavatra tena masina izany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA13 Io zanakondrilahy io dia hovonoiny eo amin’ny toerana famonoana ny biby hatao sorona fanalana ny ota na hatao sorona dorana manontolo, dia eo amin’ny faritra voatokana hanaovana izany; tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota no fanao amin’ny sorom-panonerana, ka zava-masina dia masina natao ho anjaran’ny mpisorona izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Io zanakondrilahy io dia hovonoiny eo amin’ny toerana famonoana ny biby hatao sorona fanalana ny ota na hatao sorona dorana manontolo, dia eo amin’ny faritra voatokana hanaovana izany; tahaka ny amin’ny sorona fanalana ny ota no fanao amin’ny sorom-panonerana, ka zava-masina dia masina natao ho anjaran’ny mpisorona izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Ary hamono ny zanak’ondrilahy eo amin’ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa ho an’ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana: masina dia masina izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Ary hamono ny zanak'ondrilahy eo amin'ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin'ny fitoerana masina; fa ho an'ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Ary hamono ilay zanak’ondrilahy eo amin’ny famonoana ny fanatitra fanadiovana sy ny fanatitra dorana manontolo izy, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa ho an’ny mpisorona ny fanatitra fanadiovana, toy ny fanati-panonerana. Zavatra tena masina izany. Jereo ny toko |
Dia hoy izy tamiko: «Ireo efitrano eo avaratra, sy efitrano eo atsimo manatrika ny fitoerana foana ireo, no efitranon’ny fitoerana masina, ihinanan’ny mpisorona manatona an’i Iaveh ny zava-masina indrindra; ao no ametrahany ny zavatra masina indrindra, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota sy noho ny fahadisoana, satria masina io fitoerana io.