Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 14:12 - Baiboly Katolika

12 Halain’ny mpisorona ny iray amin’ireo zanak’ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin’ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 dia haka ny zanak’ondrilahy iray ny mpisorona ka hanolotra azy ho fanati-panonerana miaraka amin’ny diloilo iray loga dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Dia haka ny zanakondrilahy iray ny mpisorona, ka hanolotra azy ho sorom-panonerana miaraka amin’ny menaka antsasa-litatra; hahevahevany eo anatrehan’ny TOMPO no ho fomba fanolotra an’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Dia haka ny zanakondrilahy iray ny mpisorona, ka hanolotra azy ho sorom-panonerana miaraka amin’ny menaka antsasa-litatra; hahevahevany eo anatrehan’ny TOMPO no ho fomba fanolotra an’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 dia haka ny zanak’ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin’ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 dia haka ny zanak'ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin'ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 dia haka ny zanak’ondrilahy iray ny mpisorona ka hanolotra azy ho fanati-panonerana miaraka amin’ny diloilo iray loga dia hataony fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 14:12
13 Rohy Ifampitohizana  

«Halainao ny saboran’ny ondralahy, ny hofany, ny safodrorohany, ny saron’atiny, ny voany roa mbamin’ny fonom-boany ary ny sorony havanana, fa ondralahy fanokanana io.


Dia hapetrakao eo amin’ny felatanan’i Aarôna sy amin’ny felatanan’ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.


Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.


Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.


Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.


Izay mpisorona manao ny fanadiovana hanolotra an’izay olona midio, mbamin’ireo zavatra rehetra ireo eo anatrehan’i Iaveh, anoloan’ny trano lay fihaonana.


Raha efa izany hatolotry ny mpisorona ny sorona noho ny ota, sy hataony ny fanonerana ho an’ilay midio ho afaka amin’ny lotony.


Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin’ny fanatitra masina fanao amin’i Iaveh, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin’ny andian’ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin’i Iaveh, hatao sorona fanonerana izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra