Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:56 - Baiboly Katolika

56 Raha hitan’ny mpisorona anefa fa mihamatromatroka ny fery nony efa nosasana, dia hoesoriny amin’ny fitafiana na amin’ny hoditra na amin’ny kofehy natao tenany na fahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona ka hitany fa matromatroka ny aretina rehefa voasasa izy dia hesoriny ho afaka amin’ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ny hoditra na ho afaka amin’ny tenony na ny fahany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

56 Fa rehefa nozahan’ny mpisorona kosa ka hitany fa nihamatromatroka ny holatra amin’ilay zavatra voasana, dia ny faritra misy holatra fotsiny no hoesoriny aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

56 Fa rehefa nozahan’ny mpisorona kosa ka hitany fa nihamatromatroka ny holatra amin’ilay zavatra voasana, dia ny faritra misy holatra fotsiny no hoesoriny aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesoriny ho afaka amin’ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ny hoditra, na ho afaka amin’izay ho tenany, na izay ho fahany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin'ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin'ny hoditra, na ho afaka amin'ny tenany, na izay ho fahany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona ka hitany fa matromatroka ny aretina rehefa voasasa izy dia hesoriny ho afaka amin’ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ny hoditra na ho afaka amin’ny tenony na ny fahany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:56
3 Rohy Ifampitohizana  

amin’ny kofehy rongony na volon’ondry, hatao tenany na fahany, amin’ny hoditra na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra,


Raha efa izany, hozahan’ny mpisorona ny fery amin’ilay zavatra efa nosasana, ka raha tsy niova toetra izy, sady tsy nanitatra, dia maloto ilay zavatra, ka dory amin’ny afo; fa efa nasian’ny habokana ny lafitsarany na ny lafiratsiny.


Raha miseho amin’ny fitafiana indray izy, na amin’ny kofehy natao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona izany, dia habokana mipoitra, ka dory amin’ny afo ilay zavatra voan’ny fery.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra