Levitikosy 13:55 - Baiboly Katolika55 Raha efa izany, hozahan’ny mpisorona ny fery amin’ilay zavatra efa nosasana, ka raha tsy niova toetra izy, sady tsy nanitatra, dia maloto ilay zavatra, ka dory amin’ny afo; fa efa nasian’ny habokana ny lafitsarany na ny lafiratsiny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201155 Rehefa voasasa izany dia hozahan’ny mpisorona indray ny aretina; koa raha hitany fa tsy niova endrika ny aretina, na dia tsy niitatra aza, dia maloto izy ka hodorana amin’ny afo. Tena aretina izany, na amin’ny atiny, na amin’ny ivelany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA55 Avy eo dia hozahan’ny mpisorona ny holatra eo amin’ilay zavatra voasasa; ka raha hitany fa tsy niova toetra ny holatra na dia tsy nanitatra aza, dia maloto ilay zavatra voany ka hodorana amin’ny afo, na ny lafitsarany na ny lafiratsiny no voakikin’ny bobongolo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara55 Avy eo dia hozahan’ny mpisorona ny holatra eo amin’ilay zavatra voasasa; ka raha hitany fa tsy niova toetra ny holatra na dia tsy nanitatra aza, dia maloto ilay zavatra voany ka hodorana amin’ny afo, na ny lafitsarany na ny lafiratsiny no voakikin’ny bobongolo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy55 ary rehefa voasasa izy, dia hozahan’ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin’ny afo; aretina mafy izany, na amin’ny atiny, na amin’ny ivelany. Jereo ny tokoMalagasy Bible55 ary rehefa voasasa izy, dia hozahan'ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin'ny afo; aretina mafy izany, na amin'ny atiny, na amin'ny ivelany. Jereo ny toko |