Levitikosy 13:57 - Baiboly Katolika57 Raha miseho amin’ny fitafiana indray izy, na amin’ny kofehy natao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona izany, dia habokana mipoitra, ka dory amin’ny afo ilay zavatra voan’ny fery. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201157 Raha mbola misy miseho eo amin’ny fitafiana indray izany, na eo amin’ny tenony na eo amin’ny fahany na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin’ny afo izay misy azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA57 Raha mbola misy holatra miseho indray eo amin’ny fitafiana na lamba na akanjobà na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin’ny afo ilay zavatra voany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara57 Raha mbola misy holatra miseho indray eo amin’ny fitafiana na lamba na akanjobà na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin’ny afo ilay zavatra voany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy57 Ary raha mbola misy miseho eo amin’ny fitafiana indray izy, na eo amin’izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’izay zavatra natao tamin’ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodoranao amin’ny afo izay misy izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible57 Ary raha mbola misy miseho eo amin'ny fitafiana indray izy, na eo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin'ny afo izay misy izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache57 Raha mbola misy miseho eo amin’ny fitafiana indray izany, na eo amin’ny tenony na eo amin’ny fahany na eo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia bobongolo mipoitra izany ka hodorana amin’ny afo izay misy azy. Jereo ny toko |