Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:20 - Baiboly Katolika

20 Raha toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra ilay hodi-potsy, sady nanjary fotsy ny volon-koditra eo dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa fery habokana nipoitra ao amin’ilay fery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Hozahan’ny mpisorona io, koa raha lalina noho ny hoditra no fijeriny azy ary efa niova ho fotsy ny volony dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy; habokana efa mipoitra eo amin’ny fery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Hozahan’ny mpisorona izy; ka raha hitany fa mandoaka hoditra ilay pentina sady efa niova ho fotsy ny volo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona, fa aretina miendrika habokana no efa mipoipoitra eo amin’ny hola-pery.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Hozahan’ny mpisorona izy; ka raha hitany fa mandoaka hoditra ilay pentina sady efa niova ho fotsy ny volo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona, fa aretina miendrika habokana no efa mipoipoitra eo amin’ny hola-pery.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary raha zahan’ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon’ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoipoitra eo amin’ny fery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Hozahan’ny mpisorona io, koa raha lalina noho ny hoditra no fijeriny azy ary efa niova ho fotsy ny volony dia hambaran’ny mpisorona fa maloto izy; habokana efa mipoitra eo amin’ny fery izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:20
7 Rohy Ifampitohizana  

nefa misy mamontsina fotsy na fotsy somary mena, eo amin’ny faritra misy izany fery izany, dia hiseho amin’ny mpisorona izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona izy.


«Raha mamontsina ny hoditry ny nofon’ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokana amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany, mpisorona.


Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy misy fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy ary tsy latsaka ambany noho ny hoditra izany, sady nihamatromatroka, dia hatokany toerana hafitoana izany olona izany.


Dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofony, ka raha manjary fotsy ny volon-koditra amin’ny fery sady latsaka lalina noho ny hodi-nofo no fijery ny fery, dia fery habokana izany, ka rehefa avy nizaha izany olona izany ny mpisorona, dia hilaza fa maloto izy.


dia mandeha izy maka fanahy fito hafa ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra izy ireo ka monina ao, ary ny faran’izany olona izany aza no ratsy noho ny voalohany. Dia ho tahaka izany koa no hanjò ity taranaka ratsy ity.»


Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-Tempoly ralehilahy ka hoy Izy taminy: «Indro efa sitrana ianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray no hanjò anao.»


Ary raha olona efa niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao, noho ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr’izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra