Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 9:8 - Baiboly Katolika

8 Dia hoy ireo tamin’i Jôsoe: «Mpanomponao izahay.» Ary hoy i Jôsoe taminy: «Iza moa ianareo, ary avy aiza?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa hoy izy tamin’i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy i Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Dia hoy ireo tamin’i Josoa: –Manolo-tena hanompo anao izahay! I Josoa kosa nanontany azy hoe: –Fa iza moa ianareo ary avy aiza?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia hoy ireo tamin’i Josoa: –Manolo-tena hanompo anao izahay! I Josoa kosa nanontany azy hoe: –Fa iza moa ianareo ary avy aiza?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa hoy izy tamin’i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa hianareo, ary avy aiza?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa hoy izy tamin’i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy i Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza?

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 9:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia naniraka olona ny lehiben’ny tao an-dapa, ny komandin’ny tanàna, ny loholona mbamin’ny toniany, hilaza amin’i Jehò hoe: «Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy.»


Raha valiany fihavanana sy vohainy ianao, dia ho mpandoa hetra sy mpanomponao avokoa ny olona rehetra ao.


Dia naniraka olona ny mponina ao Gabaôna nilaza tamin’i Jôsoe tao an-tobin’i Galgalà hoe: «Aza manohon-tanana tsy manampy ny mpanomponao, fa miakara faingana ho atỳ aminay, afaho izahay, fa nikambana hamely anay ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra monina amin’ny tendrombohitra.»


Ka hoy ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ny taninay taminay: Mitondrà vatsy ho any an-dalana, ka mandehana mitsena azy ireo, ary lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny aoka mba hanao fanekem-pihavanana aminay ianareo.


Koa ankehitriny, voaozona ianareo, ka tsy misy aminareo tsy ho andevo, hikapa hazo sy hantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitra».


Indreto izahay ankehitriny eo an-tananao, ka ataovy aminay izay ataonao ho mety sy marina hanaovana anay.»


Hatramin’izay andro izay ihany, dia naraikitr’i Jôsoe izy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ny ôtelin’i Iaveh any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, ary mbola nanao izany mandraka androany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra